Taratra

« Tetikasa PURPA »: tantsaha 126 200 hahazo tohana hana-pamokarana

Hipaka mivantana amin’ny mpamokatra maro manerana ny Nosy ny tetikasa “PURPA”. Betsaka ny tombontsoa azo tsapain-tanana mandritra ny roa taona hanatanterahana izany. Drafitrasa hanohanana ny tantsaha sy hampiroboroboina ny sehatry ny fambolena ny tetikasa “Projet d’urgence de renforcement de la production alimentaire”, (PURPA), izay hiasa eto Madagasikara mandritra ny roa […]

Fampandrosoana ny firenena : tokony homena sehatra ny Malagasy manampahaizana

“Ny tsy fanomezana sehatra ny Malagasy manampahaizana no antony iray tsy mampandroso an’i Madagasikara”, hoy ny mpahay toekarena, Rakoto David, nandritra ny varavarana misokatra teny amin’ny sekoly ambony tsy miankina, ESUM, Andava­mamba, omaly. Nilaza izy fa disoana ny fiheverana fa tsy mahay ny Malagasy ka tsy maintsy miandry ny vahiny […]

Fisorohana ny ady an-trano : vonona hanohy ny fitarihana ny fihaonamben’ny FFKM

Nifarana afakomaly ny fihaonambem-pirenena nokarakarain’ny FFKM, teny Mandriamena Andoharanofotsy. Namoaka fanambarana sy fehin-kevitra taorian’izany izy ireo. Mbola mikasa ny hitarika ny diniky ny mpanao politika mialoha ny fifidianana ireo ray aman-dreny eo anivon’ny fiangonana. “Mahatsapa ny FFKM fa ilaina ny mbola hisiana fifampihainoana sy fifampiresahana eo amintsika samy Malagasy, ahitana […]

Atletisma – 4×100 m vehivavy: mpanjakan’ny ranomasimbe Indianina ny Malagasy

Nandrombaka medaly volamena indray ny atletisma, tamin’ny alalan’ny 100 m inefatra mifampitohy, sokajy vehivavy. Fihaonana notanterahina omaly, teny amin’ny kianja Alarobia. Noporofoin’ny Malagasy fa izy ireo no mpanjakan’ny hafainganam-pandeha eto amin’ny ranomasimbe Indianina. Nihazakazaka voalohany i Sidonie Fiadanan­tsoa, izay niavaka avy hatrany ary nanolotra ny «temoin», tamin’i Haingo izay lasa […]