Taratra

TSELATRA

Zazavavy telo volana narian-dreniny an-kolaka teny Ambohimamory-Itaosy, omaly. Napetrany tamin’ ny zazavavy 12 taona io zanany io. Nilaza hiantsena vetivety izy kinanjo tsy niverina intsony. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny zandary ao an-toerana rehefa naharay fampandrenesana. Fiara nanitsaka olona iray nifandrimbonan’ny fokonolona nosakanana tetsy Anosizato, omaly. Nikasa handositra niaraka […]

Soavinandriana: naiditra am-ponja ireo olona 13 tratra nangalatra taolam-paty

Naiditra am-ponja vonjimaika avokoa rehefa avy natolotra ny fampanoavana ireo olona 13, voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra taolam-paty tao Soavinan­driana. Voasambotry ny miaramila DSS 12 Tamponala, tao Trondromainty, fokontany Miaramasoandro, kaominina ambanivohitr’i Tamponala, distrikan’i Soavinandriana, afakomaly ireto jiolahy ireto. Nifanome tanana tamin’ireo miaramila mpampandry tany ny zandary avy ao amin’ny […]

Fahafatesan’i Olivier: tsy nety handray ny razana ny fianakaviany

Maty nisy namono tao Antetezambaro, ny alahady maraina teo, i Olivier Sonina. Namonjy alim-pandihizana tao amin’ ny fokontany Analamalotra, kaominina ambanivohitr’Ante­tezambaro, Toamasina II, izy. Somary nisy fifamaliana taman’olona izy tao amin’ity trano fandihizana ity. Nisy nahatsikaritra izy naratra mafy hita tao ambany tetezan’Ivoloina. Mbola nisy aina izy ka niezaka niantso […]

Fanafihana eny Itaosy : folo lahy, mampihorohoro !

Nasesin’ny jiolahy miisa folo ny tokantrano telo teny Itaosy, ny alahady alina. Voaroba ny vola an-tapitrisany. Nitondra basy ny olon-dratsy. Mandry andriran’antsy ireo manana tsena. Nampihorohoro ny tompon-tsena notafihany, norobain’ny jiolahy folo lahy ny vola 2 tapitrisa ma­hery tao amin’ny fokontany Maro­biby, kaominina Fiombonana – Itaosy, ny alin’ny alahady teo. […]

Tale jeneralin’ny Bianco: “Tokony hoterem-panahy handa kolikoly ny tsirairay”

Nidina ifotony tany Sambava ny tale jeneralin’ny Bianco nampahatsiahy ny andraikitry ny tsirairay amin’ny ady amin’ny kolikoly. Fampahatsiahivana ireo andraikitry ny tsirairay amin’ny ady amin’ny kolikoly, fijerena ifotony ny fizotran’ny ady amin’ny kolikoly any anivon’ny faritra, fanentanana ny rehetra hiatrika ny ady amin’ny kolikoly… Ireo no vontoatin’ny fidinana ifotony nataon’ny tale jeneralin’ny […]