Taratra

Sombim-baovao

Naharitra roa ora mahery ny fifanandrinan-dRanaivo Mialy sy i Girarde Emmanuelle, vehivavy mpilalao Tenisy Renioney, omaly, teny Ambohidahy. Tafavoaka mpandresy tamin’izany ny Malagasy rehefa nanenjika isa sy naka ny tapakila hanaovana ny manasa-dalana. Marihina fa i Mialy, anisan’ny mpilalao niatrika ny Billie Jean King, ta­min’ity taona ity. Nifarana, omaly, teny […]

Basikety 3×3 : noraofin’ny Malagasy ny medaly volamena roa

Nampiseho ny tanjany tanteraka ny ekipa malagasy, niatrika ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11, taranja basikety lalaovin’olona 3. Norao­fin’ny Ankoay avokoa ny medaly volamena, teo amin’ny sokajy lehilahy sy vehivavy, tetsy amin’ny kianja basikety Mahamasina. Nanjaka tanteraka ny Malagasy, hatrany am-piandohan’ny fifaninanana, ho an’ny taranja basikety 3×3. Tsy nisy afa-bela nanoloana […]

Mitohy ny fahombiazana: Tafakatra 56 ny medaly volamena, 22 ny volafotsy 29 ny medaly alimo norombahan’ny atleta malagasy

Laharana voalohany hatrany i Madagasikara amin’ny fahazoana medaly amin’izao lalaon’ny Nosy, andiany faha-11 izao. Niampy 13 ny medaly volamena omaly. Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’i Madagasikara, ao anatin’ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11. Tafakatra 56 ny medaly volamena, 22 ny volafotsy ary 29 ny medaly alimo, norombahan’ny atleta malagasy. Misasaka […]

TARATRY ny KANTO

Rakibolana. Nampahafantarina omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ny « Rakibolana I », mampivondrona ireo teny sy voambolana teknika ara-ekonomika. Fiaraha-miasan’ny departemantan’ny minisitera rehetra sy ny holafitry ny mpanao gazety ary ny Foibem-pitondran’ny Seraseran’ny MEF no nahatanteraka ny tetikasa. Village Culturel des jeux des iles. Mitohy hatrany ny fampialana voly […]

Fanaovam-beloma farany : hoentina ao amin’ny Kianjan’ny Hiragasy i Petit 

Nodimandry ny alahady 27 aogositra teo, Rasamimanana Rochel fantatra eo amin’ny tontolon’ny hiragasy amin’ilay solon’anarana « Petit ». Izy no filohan’ny Federasion’ny mpihiragasy. 66 taona izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Araka ny vaovao nampitain’ny filoha lefitry ny federasiona, hampandalovina etsy amin’ny Kianjan’ny Hiragasy Ampefi­loha ny nofomangatsiakan’ity andrarezin’ny hiragasy ity, ny alarobia 30 […]