Fatin-dehilahy iray hitan’ny fokonolona tetsy ambany tetezana Anosizato, omaly. Ahin’ny nanatri-maso ho novonoina izy. Ny fanadihadiana kosa no hamaritra ny tena zava-nitranga. Nivoaka ra ny orony sady kiaka ny faritry ny lamosiny, raim-pianakaviana iray hita faty tetsy Anosizato, omaly maraina. Mpandalo no nahatsikaritra olona nitsirara teo ambony vato. Tsy nisy […]
Taratra
Firotsahan-kofidina : nahemotry ny Ceni hatramin’ny 26 septambra
“Nahatonga ny fisainana hoe tokony hohalavaina ny fe-potoana farany fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina eny anivon’ny Ovec ny fahavitsian’ireo nametraka izany.” Io ny fanazavan’ny mpampaka-tenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Nahemotra hatramin’ny 26 septambra izany, araka ny tolo-kevitry ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Notanterahina tany Côte d’Ivoire, ny 12-13 septambra lasa teo, ny fivorian’ny mpanazatran’ny ekipa nasionaly avy amin’ny federasiona 42 mandrafitra ny Kaonfederasiona afrikanina, Caf. Nanatrika izany, tany an-toerana, Rakotondrabe Romuald Felix na ny Coach Rôrô, mpanazatra ny Barea de Madagascar. Hotontosaina manomboka ny 26 oktobra ho avy izao ny fiadiana ny […]
Tsipy kanetibe – «National de Chalon 2024» : resy teo amin’ny famaranana ny ekipa malagasy
Tontosa ny 14 sy 15 septambra lasa teo, tao amin’ny Stade Leo-Lagrange, ny andiany faha-45 amin’ny “National de Chalon”, taranja tsipy kanetibe. Resy teo amin’ny famaranana ny ekipa malagasy, nahitana an’i Jean Bruno Andry sy Andrianjaka Jean-Michel (Tsetse) ary Rakotoniaina Faratiana (Tiana Kely). Lavon’ny ekipa nisy an-dry Paul Martin sy […]
Basikety-N1A : Ekipa 16 hifaninana
Hotontosaina ny 26 septambra hatramin’ny 6 oktobra ho avy izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny dingana farany fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A lahy sy vavy, taranja basikety. Ekipa lahy 8 sy vavy 8 tafiditra ao anatin’ny Elites 8 no hiady ny anaram-boninahitra amin’ity fifaninanana ity. Ho an’ny sokajy N1A […]




