Dimy andro aty aorian’ny loza mahatsiravina nitranga teny amin’ny Kianjaben’i Mahamasina ka nahafatesan’olona am-polony sy naharatrana olona an-jatony, misokatra ny fanadihadiana. Efa nisinda tsikelikely izay ny alahelo sy nisava ny hatezerana. Niara-nahita ny fifanomezan-tsiny. Mipoitra tsikelikely ny fifanilihana andraikitra. Tonga hatrany amin’ny fanononana anarana minisitra manokana aza ny an’ny […]
Taratra
Filoha Andry Rajoelina tany Mandoto : “Ho taonan’ny fandresentsika ity 2023 ity”
Nanotrona ny famoahana ny andiany faha-44 eo anivon’ny Akademia Miaramila (Acmil), ao Antsirabe ny filoha Andry Rajoelina, omaly. Nitohy tany Mandoto ny fitsidihany niaraka tamin’ireo delegasiona notarihiny. “Tsy misy hahatohitra antsika na ny fahavalo na ny mpifaninana. Ho taonan’ny fifaninanana sy hahazoantsika fandresena ny 2023”, hoy izy, tao Mandoto, omaly, […]
TSELATRA
Tovolahy iray maty voahosin’ny kamiao teny amin’ny RN7, PK 152 + 200, tao Bemasoandro, fokontany Bemololo, kaominina Andranomanelatra Antsirabe II, ny sabotsy 26 aogositra teo. Saika hisongona sarety ilay kamiao kinanjo nifaoka tampoka ilay zaza. Olona iray tapaka tanteraka ny tongony. Natoron’ireo jiolahy mpaka an-keriny ny mpitandro filaminana ny toerana […]
Ambohimalaza : mpangalatra moto tratra tao anaty alan-goavy
Noraisim-potsiny tao anaty alan-goavy ny jiolahy nangalatra moto tao Antahikihady/Fidanana, Ambohimalaza, ny sabotsy lasa teo. Natosiny mangingina ny moto marika Kymco iray tao amin’ny Escale Ambohimalaza nanamorona ny lalam-pirenana faharoa. Nanao fitarainana ny tompon’entana. Nikaroka avy hatrany ny mpitandro filaminana. Hitan’ny tsara sitrapo io lehilahy izay nanosika ilay moto halatra […]
Isotry : mpamaky trano tratran’ny polisy
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny boriborintany fahefatra Isotry (CSP4), teny Manarintsoa Anatihazo Isotry, afakomaly, ny jiolahy raindahiny amin’ny vaky trano. Nahazo antso tamin’ny vondron’ny fandriampahalemana ao Manarintsoa Anatihazo Isotry ny polisy (CSP4) momba ny fisian’ity jiolahy iray namaky trano ity. Tsikaritry ny tompon-trano ny asa ratsy nataony tamin’io fotoana […]