Taratra

TSELATRA

Hita, omaly, ny nofomangatsiak’ireo olona roa tamin’ny faharendrehan’ny botry iray tao Mahajanga. Niainga avy ao Mahajanga hihazo an’Ampitsompitsoka Namakia ity botry ity kanjo izao tra-doza tampoka izao. Zazakely roa taona ny iray amin’ireo namoy ny ainy nantsingevan’ny ranomasina. Tratran’ny polisy mpanao fisafoana ireo jiolahy roa tao Tsiroanomandidy. Ny iray nitondra […]

Maevatanana : dahalo iray maty voatifitry ny zandary

Lavon’ny balan’ny zandary avy ao amin’ny poste fixe Bevilany tao Bekipoly An­tanam­bao kaominina ambanivohitr’i Tsararano, distrikan’i Maevatanana, afakomaly, ny dahalo raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana. Nahazo antso avy amin’ireo tanora milatsaka an-tsitrapo miady amin’ny asan-dahalo ao an-toerana ny zandary, izay fantatra amin’ny anarana hoe : Voromahery Dina, momba ny fisian’ireo andian-dahalo manao […]

Nanafika fianakaviana hamadika : voatifitry ny zandary i Naivo Lava

Lavon’ny balan’ny zandary nandritra ny fifandonana tao amin’ny fokontany Tsiazompaniry, kaominina Sabotsy Namatoana, distrikan’Ambatolampy, afakomaly, ny jiolahy raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe i Naivo Lava. Teo am-piomankomanana ny hangalatra omby sy hanafika fianakaviana hamadi-drazana tamin’io fotoana io izy no maty voatifitra. Nanao savahao ny tanàna ny zandary avy ao amin’ny […]

Lonilonim-piarahamonina : raim-pianakaviana voatsatoka antsy teo amin’ny masony

Saika namoy ny ainy ity raim-pianakaviana voatsatok’antsy ity. Nandritra ny lanonam-pianakaviana no niseho ny tranga tao Bezomo Maroseranana, afakomaly. Voatsatok’antsy teo amin’ny masony izy… Nandriaka indray ny ra tao amina lanonam-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Bezomo kaominina ambanivohitr’i Maro­sera­nana, afakomaly vao maraina. Naratra mafy voatsatok’antsy teo amin’ny masony ny raim-pianakaviana […]

Fampandrosoana: tombanana hiakatra 4,5% ny harinkarena faobe

Vinavinaina hiakatra 4,5% ny fitomboan’ny harinkarena faobe eto Madagasikara, amin’ity taona ity, araka ny tatitra « Rapport Pays 2024 » navoakan’ny vondron’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Tokony hiakatra 5,3% izany ho an’ny taona 2025 rehefa nahitam-piakarana 4,4% tamin’ny taon-dasa, araka ny hita ao amin’ny tatitra mitondra ny lohateny hoe «Impulser […]