Taratra

Basikety: tsara fanombohana ny Ankoay

Fahombiazana tanteraka ny azon’ny ekipa malagasy, taranja basikety, tao anatin’ny andro voalohan’ny fifanintsanana isam-bondrona, lalaon’ ny Nosy andiany faha-11. Nibata fandresena avokoa ny ekipa lahy sy vavy, teo amin’ ny basikety lalaovin’olona 5. Ho an’ity taranja ity, izay no­tontosaina ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina, nanao pao-droa […]

Laharana voalohany vonjimaika : medaly volamena 11, volafotsy 14 ary alimo 14 ny azon’ny Malagasy

Mampiseho ny tanjany hatramin’izao ny atleta mala­gasy, miatrika ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Mitana ny laharana voalohany vonjimaika i Mada­ga­sikara, izay manana medaly 70. Hiditra amin’ny andro faha-5 anio, ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11, tanterahina eto Madagasikara. Tsara ny vokatra ho an’ny Malagasy hatramin’izao, amin’ny ankapobeny. Medaly 70 be izao […]

TARATRY ny KANTO

Manomboka manina ny zavakantony ny Malagasy monina any ivelany. Na tsy misy aza ny mpikarakara fampisehoana, ireo Malagasy any an-toerana mihitsy no mivondrona ka miantso ireo mpanakanto mihira kalon’ny fahiny sy ny hiran’ny omaly. Tsy sehatra goavana no hanatanterahina ilay seho, fa na izany aza, ilay hanina ny an’ny tena […]

Slam nationale 14: Big Stone sy Konahy Junior no solontenan’Antsiranana

Tontosa ny faran’ny herinandro, tao amin’ny Alliance française d’Antsiranana, ny fifaninanana nifantenana ny solontenan’Antsiranana, amin’ ny « Slam nationale 14 ». Big Stone sy Konahy Junior, no voafidy tamin’izany. Hifani­nana amin’ny fifaninanana olon-tokana sy hitondra ny anaran’Antsiranana, araka izany, izy ireo amin’ny fifani­tsanana isan-tanàna. Nafana ary fampisehoana feno no natolotry ny mpikarakara […]

Havatsa # Sandratra : hisolo baolina ny penina

Sambany ! Hifanandrina eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena ny mpanoratra. Fikambanana roa samy goavana eo amin’ny fikajiana sy fameloma-maso ary fanomezana aina ny soratra no hikatroka amina lalao baolina kitra. Havàtsa-Upem hifandona amin’ny Faribolana Sandratra. Fihaonana hotanterahina, ao amin’ny Kianja RM1 Andohan’Analakely, ny tolakandron’ny alarobia 6 septambra izao. Hosoloina baolina ao anatin’ny […]