Taratra

Vehivavy minisitra : andrasana ny famerenan-kasina

“Faly dia faly satria nahitana salan’isa tena tsara ho an’ireo vehivavy minisitra ny tamin’ity indray mitoraka ity», hoy Rakotohery Mireille, mpandrindra ny Vondrona miralenta ho an’ny fampandrosoana (VMLF), faritra Analamanga, raha nanontaniana. “Misaotra ny Zanahary satria nisy tolo-tsaina avy aminy tao matoa nitranga izany”, hoy hatrany izy. Nisaotra ny nanendry […]

Fisoratana anarana eny amin’ny EPP : 45 000 Ar hatramin’ny 60 000 Ar ny latsakemboka Fram

Manomboka amin’ity herinandro ity, manomana ny fidirana amin’ny taom-pianarana vaovao ny sekolim-panjakana eny amin’ny ambaratonga fototra. Mandray ireo ray aman-dreny hanoratra anarana ny zanany miaraka amin’ny fanefana ny latsakemboky ny Fram izy ireo. Nandray ny asany na­nom­boka omaly ny mp­a­ndraharaha eny anivon’ny EPP eto Antananarivo, araka ny tetiandron’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena […]

Famokarana anaty rano: seha-pihariana mahavelona

Midadasika, mahatratra hatrany amin’ny 400 km ny sisin-dranomasin’ny faritra Sava ary manana renirano 3 000 miaraka amin’ny matsabory miisa 146, izay ahitana harena an-dranomamy sy an-dranomasina maro. Azo trandrahina tsara sy mahavelona ny famokarana atirano. Miteraka asa sy mampidi-bola ho an’ny tokantrano izy ary antoka ho an’ny fihariana ifotony. Tombony […]

Firenena Japonais: hanohana ny fanitaran-drano ao Toamasina

Vonona hanohana ny tetikasa fanitarana sy fanatsarana ny rafitra famatsian-drano ao Toamasina ny firenena Japo­nais. Voaresaka manokana izany nandritra ny fihao­nan’ny minisitry ny Raha­raham-bahiny, Rasata Rafa­ra­va­vitafika, sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny Japonais, Kamikawa Yoko, nandritra ny fivoriamben’ny Ticad. Vonona hanamafy ny fifandraisan’ny firenena roa tonta ireto tomponandraikitra amin’ny fampiroboroboana ny […]