Taratra

Depiote mpanohitra : «Hanara-maso hentitra ny asan’ny fanjakana izahay»

Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy tany Betafo ny samboadin’ny depiote, avy amin’ny mpanohitra. Nana­mafy ny maha hery mpanara-maso azy izy ireo. Nahitsy ny lahatenin’ny filoha lefitry ny Antenimie­rampirenena sady lehiben’ny mpanohitra, Randrianasolo­niaiko Siteny, tany Betafo, ny faran’ny herinandro teo. “Tsy hikoso-maso isika amin’ny fanaraha-maso hentitra ny asan’ny fanjakana”, hoy izy. Nohamafisiny […]

Faharefoana sy fandemen-tsaina

  Niteraka resabe sy fifanankianana izaitsizy ny fanambarana nataona pasitera iray, afakomaly, teny Antson­jombe. Rakitra sy fanomezana ho an’Andriamanitra no foto-dresaka. Raha ny tena marina, tsy natao hiadiana hevitra ny resa-pinoana. Kanefa tsara ihany ny mifampitaiza sy mifanoro. Tsy hoe manam-pahaizana momba ny teolojia akory fa manaraka ny lojikam-piainana. Andaniny, […]

Kaominina Antananarivo Renivohitra: PDS vaovao Ramanantsoa Harilala

Nametra-pialana ny filohan’ny delegasiona manokan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, Ramanambitana Richard. Nasolo azy, mandray ny asany avy hatrany Ramanantsoa Harilala. Tsy afaka miandry ny raharaham-panjakana! Notendrena omaly, ny filohan’ny delegasiona manokana vaovaon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Ra­manantsoa Harilala. Nan­dimby an-dRamanambitana Richard izy, izay nametra-pialana noho ny antony ara-pahasalamana. Mandray ny asany avy […]

TSELATRA

Matin’ny fitsaram-bahoaka ny alahady atoandro teo ny roa tamin’ireo dahalo tompon’antoka tamin’ny famonoana ny katekista sy ny pastoran’ny FLM ao Andranomadio Mampikony. Tratran’ny zandary sy ny polisy kosa ny dahalo telo hafa. Tsy namelan’ny olona fa notetitetehany ireto dahalo tratra ireto. Rongony 12 gony no saron’ny polisy miasa ao amin’ny […]

Ankadinondry : lehilahy matin’ny hamamoana tafahoatra

Lehilahy iray 40 taona eo ho eo no hita faty tao Trano vy, faritra Bejofo, fokontany Ankadinondry, afakomaly tolakandro. Tonga nampilaza tamin’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Ankadinondry ny sefo fokontany momba ny fisian’ity lehilahy hita faty ity. Nidina haingana teny an-toerana avy hatrany ny zandary notarihin’ny kaomandin’ny tobim-paritra niaraka tamin’ny […]