Taratra

Vitan-dratsy ho an’ilay mpanamory frantsay, i Sebastien Loeb, ny andiany faha-17 amin’ny Rally Dakar. Tojo olana elektronika ny fiara nentiny ka voatery miato hatrany izy nandritra ireo dingana notanterahina ny alahady sy omaly. Tsiahivina fa nanomboka ny 3 janoary teo ity fifaninanana ity ary hifarana ny faha-17 n’ity volana ity. […]

Taekwondo WT: hatao any Vakinankaratra ny fifaninanana nasionaly

Raha ny fanadihadiana natao omaly, teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny taranja Taekwondo WT (FMTKD), hatao any Antsirabe, ny volana aogositra ho avy io, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Hanana ny lanjany tanteraka ity fifaninanam-pirenena ity. Ny efatra voalohany isan-tsokajy ihany no afaka miatrika ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, izay hotontosaina […]

Baolina kitra – «Chan 2025»: hatao amin’ny 15 janoary ny antsapaka

Izay vao raikitra. Hatao ny alarobia 15 janoary ho avy izao, ny antsapaka hahalalana izay iray vondrona amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ny ekipam-pirenena tsy misy mpilalao matihanina «Chan 2025». Nampahafan­tatra izany, omaly, tao amin’ny tranokalam-pifandraisany ny Kaonfederasiona afrikanina baolina kitra (Caf). Ny lanonana dia […]

Indray mijery

Manohy ny fanadiovana ny tanàna ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Anton’izany ny loto nateraky ny fety noho ny hamaroan’ny olona nivezivezy tamin’ireo hetsika sy fiantsenana maro. Nimasoana aloha ireo toerana tena be olona toy ny teny Ambohijatovo sy Analakely. Hitohy eny amin’ny toerana hafa sy ireo misy tsena izany. Mpianatra 260 […]