Taratra

Sport Gymnase Ankatso: efa vonona handray ny fifaninanana

Hanomboka anio, eny amin’ny Gymnase Ankatso ny fifaninanana taranja volley ho an’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11. Vonona ny handray lalao amin’izany ny “Gymnase” Ankatso. Araka ny fanadihadiana natao ny alarobia lasa teo, teny an-toerana, miisa 500 ny isan’ny seza ary natao plastika manara-penitra izany. Novaina ho “béton” ny kianja filalaovana. […]

Filoham-pirenena telo no tonga: nakotroka ny lanonam-panokafana teny Mahamasina

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny lalaon’ny Nosy eto amin’ny ranomasimbe Indiana, andiany faha-11. Nakotroka ny lanonana. Nanome voninahitra ny lanonana izay tonga nanotrona ny fanokafana, ny filoham-pirenena 3 avy amin’ny Nosy Mau­rice, Seychelles ary Comores, niampy ireo andrimpan­ja­kana maro avy amin’ny Nosy rahavavy. Niatomboka […]

TARATRY ny KANTO

Mitombo isa ireo sekoly manome hasina ny kolontsaina malagasy, mampiditra ho anisan’ny taranja ianarana, ao aminy, ny zavakanto. Mahazo vahana amin’izany ny fanorona, ny fomba amam-panao, ny asa tanana tahaka ny rary, ny fianarana mitendry zavamaneno, sns. Mbola tazana hatrany anefa fa ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana no maro […]

Hosodoko : Tafaverina indray ny fampirantiana « Hosotra »

Tanterahina eny amin’ny Colline-Maison sociale des arts, Ambatovinaky, ny fampirantiana « Hosotra ». Hetsika tsy hifarana raha tsy ny 7 septambra 2023. Fampirantiana hanehoana ireo asa tanana sy haikanto vita amin’ny plastika. Mpahay kanto eo amin’io sehatra io miisa 36 no mampiranty ny asa tanany eny an-toerana. Mandrafitra izany ireo mpahay kanto […]

« Slam nationale 14 »: hifaninana ny ao Antsiranana

Tanterahina anio, ao amin’ny Alliance française Antsira­nana, ny fifantenana izay hisolo tena ny tanànan’Antsiranana ho amin’ny “Slam nationale 14, 2023”, eto Antananarivo. Mpifaninana roa no andrasana ho avoakan’ity fifaninanana anio ity. Mpandray anjara roa ambin’ny folo, amin’ny roapolo izao no efa fantatra. Tsy miova ny fepetra sy ny fitsipika fandraisana […]