Hitohy etsy amin’ny kianja Malacam Antanimena, rahampitso, ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’ny “Federal 2”, taranja rugby. Hanamarika ity andro fahefatra ity ny fifanandrinan’ny CEA Andranomanalina sy ny 3FAI Ambalavao. Fihaonana hiendrika famaranana kely ary tena andrasan’ny rehetra. Fileovana samy manana ny fahaiza-manaony ny andaniny sy ny ankilany. Anisan’ny ekipa […]
Taratra
Ligue des Champions-Caf : tapitra hatreo ny lalan’ny Disciples FC
Tsy nahita fahombiazana tany an-tanin’olona ny solontenan’i Madagasikara, Disciples FC. Lavon’ny Orlando Pirates Afrika Atsimo, tamin’ny isa 4 no ho 0 izy ireo, omaly, nandritra ny lalao miverina. Ratsy ny vokatra azon’ny Disciples FC Madagasikara, omaly, tany Afrika Atsimo. Tsy tafakatra amin’ny dingana manaraka, fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Ligue […]
VAOVAO TAMBATRA
Feno 30 taona ny Gerp, Vondrona fikarohana mahakasika ny varika eto Madagasikara. Nisy ny famelabelaran-kevitra nataon’ny filohany, ny Pr. Ratsimbazafy Jonah, sy ny fampirantiana ny lalana nodiavina, teny amin’ny Akademia Malagasy. Lohahevitry ny fankalazana ny hoe: “Ny varika, tsy fihinana, tsy fiompy ary manan-danja ara-toekarena satria misintona mpizahatany”. Mamokatra katsaka […]
Voly vary : fanamby ny hanondrana any ivelany
Tontosa, omaly, ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana teo aloha, Ratohiarijaona Suzelin, sy ny handimby azy, i Hajarison François Sergio, sy ny sekreteram-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fahavitan-tena ara-tsakafo, Razanamahefa Tahiana. Fanamby lehibe hapetrak’ireo minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) sy ny […]
Ralambofiringa David Herizo : «Laharam-pahamehana ny famokarana »
«Laharam-pahamehan’ny minisiteran’ ny Fampiroboroboana ny varotra sy ny indostria (Mic) ny famokarana amin’ny fitadiavana fampiasam-bola hananganana ozinina lehibe», hoy ny minisitra vaovao, Ralambofiringa David Herizo, taorian’ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny minisitra teo aloha, Razafindravahy Edgard, omaly, tetsy Ambohidahy. Hojerena akaiky, hoy izy, ny vidim-piainana andavanandro ka hiara-miasa amina minisitera […]




