Taratra

Tsy fandraisan-karama : mitokona ireo mpiasa eo anivon’ny Cnapmad

Nitokona ireo mpiasa 70 tsy mbola mpiasam-panjakana eo anivon’ny Cnapmad Ankorondrano nanomboka omaly. Nampahafantatra izany tamin ‘ny mpanao gazety teny an-toerana izy ireo omaly. Tsy nandray karama nandritra ny 2 volana izy ireo, ka anton’ny fitokonana. “Miantso ny filoham-pirenena hijery ny zava-misy sy hamaha ny olana mahazo anay izahay”, hoy […]

Oniversite Ankatso : miato anatin’ny fotoana tsy voafetra ny fitokonan’ny mpianatra

Nilamina tanteraka ny teny Ankatso omaly, taorian’ny fitokonana nataon’ny mpianatra afakomaly, raha ny zava-nisy teny an-toerana. Nanao fanambarana ny fikambanan’ny mpianatra omaly fa miato ao anatin’ny fotoana tsy voafetra (herinandro) ny fitokonana. Manara-maso ny famahana ny olan’ny fampianarana eny amin’ny oniversite Ankatso izy ireo, araka ny fanambarana. Ankoatra izay, nanameloka […]

Ho arofanina ho an’ny fitondrana : najoro ny Fiombonan’ny sendikàn’ ny mpiasa malagasy

Ny mpiasa no mamokatra ho an’ny orinasa ary ny vokatry ny asan’ny mpiasa no mampihodina ny firenena iray manontolo ka hery tsy azo tohaina ny fiombonan’ny sendikàn’ny mpiasa malagasy, araka ny fanehoan-kevitra nataony. Nivondrona ho iray ny sendikàn’ny mpiasa malagasy ka tafatsangana ny Fiombonan’ny sendikàn’ny mpiasa malagasy (FSMM) omaly, teny […]

FANTINA sy FINTINA

Haka fanapahan-kevitra ny kongresin’ny HVM, anio. Nambaran’ny filoha mpitarika, Rajaonari­mampianina Hery, omaly, tamin’ny fotoam-panokafana fa manan-danja ho an’ny fiainan’ny antoko politika ny kongresy nasionaly ka andraisana fanapahan-kevitra momba ny fifidianana. Manohana ny fifidianana demokrarika ny Ame­ri­kanina. Nambaran’ny masoivohon’i Etazonia, i Claire Pierangelo, omaly, fa manaraka akaiky ny zotram-pifidianana izy ireo […]