Nikasa hanao fihaonambe teny amin’ny Espace Yandy By Pass ny fivondronamben’ny mpanohitra rehetra, omaly. Tsy tanteraka anefa izany saingy nanao fanambarana ihany izy ireo. Nosakanana sy nohidin’ny Emmo/Reg ny vavahadin’ity toerana ity ka nanao fanambarana teo ivelany ireto avy amin’ny fanoherana ireto. Nahitsy ny nambaran’izy ireo amin’ny tsy fanekena ny […]
Taratra
INDRAY MIJERY
Antsiranana no manana ny taham-pahafahana ambony indrindra tamin’ny sampana teknika ho an’ny bakalorea 2023. Nahatratra 89,68% izany ho an’ity taona ity. Fianarantsoa kosa no manana ny taha ambany indrindra: 56,08%, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fiofanana arakasa. Hisy atrikasa momba ny fahakivian-tsaina tanteraka, karakarain’ny […]
Boriborintany II : 400 ireo nisitraka ny fitsaboana manakaiky vahoaka
Nanomboka ny talata lasa teo ary hifarana anio zoma ny hetsika fitsaboana manakaiky vahoaka ho an’ny boriborintany faharoa. Tanterahina eny amin’ny fokontany Andohanimandroseza. Nahatratra 400 mahery ireo mponina tonga nijery ny toe-pahasalamany hatry ny omaly, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny tomponandraikitra. Ahitana tolotra samihafa mandritra ny hetsika. Anisan ’izany, […]
Fitantanana loza : nitsidika ny BNGRC ny ekipan’ny Sadc
Nitsidika ny foiben’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) ny delegasionan’ny SADC nandritra ny fandalovany eto Madagasikara tamin’ity herinandro ity. Iray amin’ireo firenena andalovan’ny rivodoza matanjaka i Madagasikara tao anatin’ny roa taona farany. Na mafy aza ny fidiran’ny rivodoza teto amintsika, tsy mafy loatra ny fiantraikany noho […]
Sakoroka teny Ankatso: tora-bato sy doro kodiarana, nirefodrefotra ny grenady
Nitokona ny mpianatry ny oniversite Ankatso omaly, taorian’ny fitokonan’ny Seces. Nanakan-dalana, sy nandoro kodiarana ary nitora-bato izy ireo. Nalana ny «franchise universitaire». Mpianatra valo voasambotra, zandary iray hita naratra, nandritra ny fitokonana nataon’ireo mpianatra teny Ankatso, omaly tamin’ny sivy maraina teo ho eo. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny mpianatra sy […]