Hanomboka ny alarobia ho avy izao ary haharitra hefarana ny hetsika ara-barotra “Foara B to C”. Fampihaonana mivantana ny mpamokatra sy ny tolotra amin’ny mpanjifa tsy misy mpanelanelana no tanjona, hoy ny mpikarakara avy amin’ny N Com agency, omaly, teny Mahamasina. Tranoheva 100 eo ho eo no hampiranty ny vokatra […]
Taratra
Minisitry ny Mponina: Hijery manokana ireo olona marefo sy ny zokiolona eto amin’ny firenena
Tontosa, omaly, ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny minisitra mpisolo toerana sy ny minisitra vaovao. Laharam-pahamehan’ny minisitra vaovao ny hijereny manokana ny olona marefo sy ny zokiolona. Nanatanteraka fifamindram-pahefana sy fitantanana ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina mpisolo toerana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, sy ny minisitra vaovao, Razafinjato Aurélie, omaly, tetsy Ambohijatovo. […]
TARATRY ny KANTO
Nigadona an-tanindrazana omaly, i Lita, mpikambana eo anivon’ny tarika Mage 4, monina any ampitan-dranomasina. Hiatrika ny fampisehoan’ny tarika izy, rahampitso. Araka izany, izy valo mirahalahy, mpikambana eo anivon’ny tarika no hiaraka hanatontosa ny fampisehoana “Hatramin’ny farany” hatao ao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina. Famaranana ny faha-35 taon’ny tarika Rebika. […]
Fifaninanana miantsa ; 25 ireo hifanintsana, anio
« Andeha isika hamorona olona tahaka antsika ». Teny filamatra nofidian’ny Faribolana Sandratra hitondrana ilay « Sandran-kalo zara fanahy » fifaninanana miantsa tononkalo karakarain-dry zareo. Fantatra fa 25 no hiatrika ny dingan’ny fifanintsanana anio tolakandro, etsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy, tohatohabaton’Antaninarenina. Marihina fa tononkalo na sanganasan’ny mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra no antsain’ireto mpifaninana ireto. […]
angon-tahiry : tsy mahasarika ny Malagasy
Anisan’ny mampandroso ny olona iray, na ny firenena iray, ny fananana angon-tahiry. Antony, fototra iray azo hanaingana hiatrehina ny ankehitriny sy hibanjinana ny hoavy izy io. Hatramin’izao, anefa, tsy mbola mahasarika ny Malagasy ny fanaovana azy io. Mbola tena vitsy, ohatra, ny tokantrano mitahiry ireo fitaovana nampiasain’ny teo aloha, ka […]




