Tontosa tetsy amin’ny “Digital Center” Antaninarenina ny atrikasa momba ny fakan-kevitra nasionaly ho fanomanana ny fihaonambe maneran-tany momba ny fanabeazana, izay hotanterahina any Fortaleza Brésil, ny 31 oktobra hatramin’ny 1 novambra. Ny fanatsarana ny fanambarana ataon’ny Unesco no tanjon’ity fivoriambe ity. Nisy ny fifampizarana sy fampahafantarana ny fanatanterahana ny Tanjon’ny […]
Taratra
Boriborintany faha-4: mpivady 9 nisitraka mariazy faobe
Nikarakara mariazy faobe ho an’ny mponina ao aminy ny etsy anivon’ny boriborintany fahefatra, omaly. Hetsika niaraha-nanatanteraka tamin’ny Fonds d’intervention pour le développement (Fid). Nisitraka izany ireo mpivady sivy, avy ao amin’ny fokontany Ankazotoho Anosimahavelona, ao anatin’ny boriborintany fahefatra. Tanjona ny hamaliana ny filan’ny mponina sy hahafahana manampy azy ireo hiditra […]
Toetr’andro : tombanana hibaliaka ny masoandro, anio
Tombanana hibaliaka ny masoandro, ho an’ny anio, eto afovoantany, satria hikisaka any atsimon’i Madagasikara ny rindrin-drahona, raha ny vaovao navoakan’ny Foibe famantarana ny toetr’andro, omaly. Ahitana fiakarana goavana, araka izany, ny maripana ho an’ny eto afovoantany sy ny ilany atsinanan’ny Nosy, mandritra izany. Tombanana hisy rotsakorana any amin’ny tendrony atsimon’i […]
Skotisma-Afrika: handray ny fivoriam-paritra i Madagasikara, ny taona 2025
Hifarana anio, any Le Caire (Egypte), ny fivoriana iraisam-pirenena faha-43 ho an’ny skotisma, andraisan’ny fikambanana skoto malagasy anjara. Naharitra herinandro ny fivoriana, nahitana skoto 2 000, sy mpitarika avy amin’ny firenena 176, araka ny fanazavana azo. Fotoana nandraisana fanapahan-kevitra koa momba ny fikambanana sy ny lalana hitondrana ny hetsika amin’ny hoavy […]
TARATRY ny KANTO
Hiaka-tsehatra eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo, anio hariva, ny tarika Rajery. Ho hita mandritra ny seho ireo hira nankafizan’ny maro ny tarika. Vonona ny hanome fahafaham-po ny mpankafy sy hamoaka ny tsara indrindra avy aminy izy ireo, mandritra izany. Hifarana tanteraka, anio, ny “Salon des jeux de société” andiany faharoa, […]




