Taratra

Efa nahazo volabe : notanana am-ponja ilay mpisoloky

Naiditra vonjimaika ao amin’ny fonjan’Antanimora ny lehilahy iray nisoloky vola an-tapitrisany, afakomaly. Nisandoka ho olom-panjakana, nanambaka olona maro tamin’ny alalan’ny kaonty facebook, ity lehilahy ity. Tsy vitan’io, nisy tamin’­ireo lasibatra nalainy baraka amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ireo. Nahazo vola maherin’ny 20 tapitrisa Ar tamin’io asa ratsiny io izy. Rahonany ireo voasoloky […]

Namono nahafaty ny vadiny : teratany vahiny naiditra eny Tsiafahy

Niakatra fampanoavana, notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, ny teratany vahiny iray, afakomaly. Notsatohany antsy ny vadiny tao Anjomakely. Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny teratany vahiny iray ahina ho namono nahafaty ny vadiny tao Anjomakely, kaominina Bongatsara, ny 10 aogositra teo tamin’ny 10 ora alina. Nitabataba sy nanakorontana ny mpiara-monina io […]

« Rodorodon’ny tantsaha » andiany faharoa : Tantsoroka hampandroso ny mpamokatra

Tanterihana eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina nanomboka ny 14 ka hatra­min’ny sabotsy ny « Rodoro­don’ny tantsaha », andiany faharoa. Hetsika ara-toekarena hampandrosoana ny famokarana eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Tanjona ny hanentanana ireo mpiara-miombon’antoka hanao tan­tsoroka ny tantsaha. « Mian­traika mivantana eny amin’ny tontolo ambanivohitra ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny krizy iraisam-pirenena », hoy ny minisitry ny […]

Olan’ny delestazy lavareny : handatsaka orana artifisialy ny Jirama

Handatsaka orana artifisialy ny Jirama, hitondrana vahaolana fohy ezaka hamahana ny olan’ny delestazy. Vina maharitra kosa ny hananganana tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny masoandro sy hanaovana tohodrano vaovao. «Handatsaka orana artifisialy manomboka rahampitso 17 aogositra ny Jirama hampiakarana ny haavon’ny rano amin’ny tohodrano mamatsy ny tobim-pamokarana herinaratra sy hanamaivana ny fahatapahan-jiro […]