Taratra

INDRAY MIJERY

Hisy ny hetsika fandidiana maimaimpoana ataon’ny CHU Andohatapenaka, ho fanamarihana ny faha-10 taonan’ny hopitaly, ny volana septambra ho avy izao. Hanomboka anio ny fizahana mialoha hahafahana manatanteraka izany. Iarahana amin’ireo vahiny avy any Turquie, mpitsabo, ny fandidiana ny aretin’ny sofina, ny orona, ny nify ary ny aty vava. Manomana hetsika […]

Fihaonambe kongresy Eokaristika nasionaly : miara-miasa ny mpikarakara sy ny fanjakana

Hotanterahina any Antsira­nana, ny 20 – 25 aogositra 2024 izao, ny fihaonamben’ny kongresy Eokaristika nasionaly sy ny Afafi-Fet. Ho avy hanatrika izany ireo tanora maherin’ny 15 000, avy amin’ny diosezy 22, manerana ny Nosy. Efa milamina hatrany amin’ny 95% ny fiomanana sy fandraisana ireo mpizaika rehetra any an-toerana, amin’izao fotoana izao, […]

TETIKASA MAHARO: 49 tapitrisa dolara niasana

Nentina nanatsara ny vokatry ny fanjarian-tsakafo tany amin’ny faritra Atsimo sy Atsimo Andrefana ny tetikasa Maharo, izay tohanan’ny governemanta amerikanina. Ho fiahiana manokana ireo vondrom-piarahamonina marefo amin’ireo faritra niasana nandritra ny 5 taona ny famatsiam-bola avy amin’ny USAID Madagascar. Nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny fanjarian-tsakafo ity tetikasa ity, noho ny […]

Politeknika Vontovorona : hampiakarina ny tanjaky ny internet

Nilamina ny raharaha eny Vontovorona rehefa nihaona ny andaniny roa. Nanome toky hanao ezaka ny fanjakana amin’ny fantsarana ireo fotodrafitrasan’ny mpianatra. Efa nanomboka nahazo vatsim-pianarana ireo mpianatra. Nifanatona ny fanjakana sy ny mpianatra eny amin’ny politekika Von­to­vorona nandamin-draharaha ny faran’ny herinandro teo. Milamina amin’ny ampahany ny savorovoro eny amin’ity sampan’ny […]

Andrianarison Jhone Love : “Fahasalamana ho an’ny mpiasam-panjakana ny Asief”

Mpiasam-panjakana miisa 13 000 manerana ny Nosy no tonga ao Antsirabe, nandritra ny fanokafana ofisialy ny fifaninananana nasionaly Asief (Association sportive interministerielle pour l’entretien des fonctionnaires), ny sabotsy lasa teo. Tamin’ny alalan’ny diabe niainga teo amin’ny Lalan’ny fahaleovantena ni­hazo ny kianja mitafo Vato­fotsy no nanombohana tamin’ ny fomba ofisialy ity fifaninanana […]