Taxi-be iray zotra 192 no tapaka hisatra teo Tsiazotafo, ny sabotsy teo. Soa ihany fa mailo ny mpamily ka nandefa ny fiara nihanika tamina tohatohatra teo amin’ny trano fivarotana iray fa raha tsy izany zava-doza no nitranga. Tsy nisy ny naratra na aina nafoy fa avotra ireo mpandeha rehetra. Mpampianatra […]
Taratra
Hiantsena vao maraina: ramatoabe voafaokan’ny fiara, maty tsy tra-drano
Ramatoabe iray handeha hiantsena vao maraina no maty voadonan’ny fiara teny Ampasampito, ny sabotsy maraina teo. Tafatsofoka tao ambany fiara izy ka tsy mba nialana nenina akory. Handeha hiantsena vao maraina izy no tra-doza. Araka ny fitantaran’ireo olona nanatri-maso, nandeha mafy ilay tovolahy teo ambony familiana ka tsy nahafehy lalana […]
Talata Volonondry: jiolahy tratra nangalatra hidin-drano
Voasambotry ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Talata Volonondry, ny sabotsy teo, ny jiolahy iray tompon’antoka amin’ny fangalarana vy fanao hidin-drano eny amin’ny tohodrano. Tao Sahanandriana no nahatrarana azy. Tratra teny aminy ny tsatoby lava roa famoahana sy fanidiana rano amina tohodrano manondraka ny saha eny Ambohitrangano. Vesatra hanenjehana azy […]
Tsy misy porofo: nivoaka ny fonja tany Londres Andrianarisoa Romy Voos
Nivoaka ny fonja tany Royaume Uni Andrianarisoa Romy Voos, talen’ny kabinetra teo aloha, eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Tany amin’ny fahitalavitra vahiny, TV5 Monde, no nosafidiany nizarana ny vaovao sy nitondrany fanazavana. Nomelohin’ny fitsarana anglisy 42 volana, sazy an- tranomaizina, izy noho ny resaka kolikoly. Voalaza fa tratra ambodiomby izy […]
Tsipy kanetibe – «Mondial 2024»: ekipam-pirenena no mandeha fa tsy klioba tompondaka
Miova manomboka izao ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja tsipy kanetibe. Tsy izay klioba mahazo ny fifaninanam-pirenena fa hanaovana fifantenana ny miatrika izany. Nambaran’Andrianirina Adrien Julio Edouard, filohan’ny federation sport boules malagasy (FSBM), ny sabotsy lasa teo, teny Tanjombato, fa nankatoavin’ireo filohana ligim-paritra 100%, ny tetikasa […]




