Nitarina hatramin’ny 4 desambra izao ny fisoratana anarana ao amin’ny lisi-pifidianana. Mba ho fanomezana fahafaham-po ny olom-pirenena ny anton’izany. “Raha tokony ho nikatona tamin’ny 30 novambra ny fisoratana anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana amin’ny alalan’ny didy hitsivolana, nitarina hatramin’ny 4 desambra ho avy izao izany. Mba ho fanomezana fahafaham-po ny olom-pirenena.” […]
Taratra
Fipoahana herinaratra : trano enina kilan’ny afo
Trano enina no may tao Analankininina Hopitalibe, Parcelle 12-21/22, afakomaly alina. Nitrangana fahatapahan-jiro matetika tao an-toerana ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 1 desambra. “Indroa tapaka ny jiro. Nisy zavatra nirefotra tampoka taorian’izay”, hoy ny loharanom-baovao. Nirehatra ny trano iray ka nihitatra. Nahazo ireo trano nifanila taminy ny lelafo. Nikoropaka […]
Notadiavin’ny fitsarana : dahalo roa maty voatifitry ny zandary
Maty voatifitry ny zandary nandritra ny fifanenjehana tao Maroharona, fokontany Ambalamarina, kaominina ambanivohitr’Ambatomifanongo, distrikan’Ambatofinandrahana, ny zoma teo, ny dahalo roa lahy. Nahazo fampandrenesana avy amin’ny sefo fokontanin’Ambalamarina ny zandary momba ny fisian’ireo andian-dahalo nanafika tao amina tokantrano iray. Lasan’ ireo dahalo nandritra io fanafihana io ny omby efatra. Nanao fanarahan-dia […]
Barikadimy : mpangalatra niharan’ ny fitsaram-bahoaka
Tra-tehaky ny mpianatry ny oniversite ny mpangalatra tao amin’ny Campus Barikadimy, ny 30 novambra teo tamin’ny 7 ora sy sasany hariva. Niditra antsokosoko tany amin’ny faritra misy ny trano fonenan’ny mpianatra io lehilahy io. Nanararaotra ny andro maizina, nangalariny ny ordinatera iray. Tsikaritry ny iray tamin’ny mpianatra ny fisian’io olona […]
Mpamongady telo voatafika : vehivavy ny iray amin’ireo jiolahy nandroba
Fihantsiana! Izay no azo ilazana ny fanafihana nataon’ireo jiolahy tao Mangarano Toamasina, ny zoma tolakandro teo. Tranombarotra telo no indray notetezin’ireo mpanafika… Mpamongady telo be izao no indray notetezin’ny jiolahy tamin’io fotoana io. Samy amoron-dalana ireto tranombarotra notafihan’ny jiolahy ireto. Tao anatin’ny fotoana nahamaro ireo olona nifamezivezy teny an-dalambe no […]