Dimy andro taorian’ny fanjavonan’i Tolotra (20 taona) sy Ravo (15 taona), tany amin’ny Kaominina Mantasoa, hita faty tao amin’ny ranon’i Mantasoa omaly maraina ny vatana mangatsiakan’izy roa. Mpifankatia niara-namono tena, nifamatotra ny razana tamin’ny fotoana nampiakarana ny razana teny an-tanety. Raha ny fanazavana voaray, nifankatia efa roa taona izy roa […]
Taratra
Faty hita etsy sy eroa : “ asa fampihorohoroana”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana
Nilaza ny filohan’ny fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, fa asa fampihorohoroana ny zava-mitranga eto Madagasikara ankehitriny. Faty roa no hita omaly teny Namontana sy Antohomadinika. Marihina fa tafakatra 172 ny zaza very manerana ny Nosy. Miseholany ny fahitana fatin’olona etsy sy eroa. “Tsy politika intsony fa asa fampihorohoroana ny zava-misy, […]
Toamasina : Jiolahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka
Leo ny asan-jiolahy ny fokonolona hany ka lasa tsy te hitsitsy manoloana ny fahatrarana jiolahy manao izany. Ny alin’ny alahady teo, jiolahy iray saron’ny fokonolona nanendaka tao Tsarakofafa. Nanambana antsy raim-pianankaviana iray tratra alina hamonjy fodiana izy. Vokany, na dia niezaka nitsoaka aza ilay jiolahy dia tsy namelan’ny fokonolona fa […]
« Circuit Training » 2026 : Lasan’i Faby sy i Nantenaina ny laharana voalohany
Nafana dia nafana ny tao amin’ny Kianja mitafo Mahamasina, nandritra ny fifaninanana “Circuit Training” andiany voalohany, nokarakarain’ny Zaka Rise Mada, ny faran’ny herinandro teo. Nahatratra 80 ny isan’ireo mpifaninana tamin’izany. Nahitana fanazaran-tena maro, toy ny pompes, squats, burpees, sauts sur box (jump box), corde à sauter ary sprints ny fifanintsanana. […]
Pancrace : Handray ady iraisam-pirenena i Madagasikara
Hisy fifanintsanana iraisam-pirenena horaisin’i Madagasikara, amin’ny volana novambra ho avy izao. Efa nisy ny fijerevana an’ireo mpikatroka mendrika afaka hiatrika izany. Raha tsy misy ny fiovana, hampiantrano ady iraisam-pirenena eo amin’ny taranja Pancrace, i Madagasikara, ny volana novambra izao. Nambaran’ny filohan’ny CMPS (Commision malgache de pancrace et submission), ny kolonely Zafindranaivo Mely izany, nandritra […]





