Taratra

Hetsika « Call center » sy « Digital » : Maromaro ireo tanora horaisina hiasa avy hatrany

Hetsika miavaka sy manokana. Efa nanomboka omaly, etsy amin’ny tokotanin’ny La­pan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, hatramin’ny zoma izao ny «Salon de la rélation client et des métiers digitals». Nambaran’ny mpikarakara, ZRK, Zina Rakotoseheno, fa hiavaka ity andiany faharoa ity. «Fantatra eo no ho eo na ho voaray avy hatrany […]

Madagasikara – ONU : Tsara sy mihamafy ny fifandraisana ho amin’ny fiaraha-miasa

Nanolotra tamin’ny fom­ba ofisialy ny taratasy manendry azy ho so­lontena maharitra an’ny Re­poblikan’i Madagasikara eo anivon’ny Firenena mikambana (ONU) tamin’ny sekretera jeneralin’ny ONU, Sem Antó­nio Guterres, tany New York, Etazonia, omaly, ny masoivoho Rahajarizafy Lanto. Ta­min’ny fihaonana, nampita ny fiarahabana avy amin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Re­po­blikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina […]

INDRAY MIJERY

Misy fampitandremana noho ny hamafin’ny rivotra, hitohy anio, any amin’ny tapany atsimon’ny morontsirak’i Atsimo Andrefana, ny eo anelanelan’ny tanjona Bobaomby sy Toamasina ary ny eo anelanelan’i Maha­janga sy Analalava. Fampitandremana miloko mena ho an’Ampanihy hatrany amin’ny tanjona Vohimena, tanjona Bobaomby hatrany Toamasina ary Mahajanga hatrany Analalava. Notanterahin’ny Holafitry ny infirimiera […]

Fandaminana ny fifamoivoizana : Hofoanana ireo fiantsonana maromaro

Ho fandrindrana ny fifamoivoizana eto Antananarivo, nametraka lamina vaovao ny fiadidiana ny tanàna. Vahaola­na dinihina ny fanafoanana sy famindrana ny fiantsonan’ny taxi-be sasantsasany mba ha­namorana ny fivezivezen’ny fiara sy hampihenana ny fitohanana. Voakasik’izany ny eny Ankadimbahoaka, Tsim­ba­zaza ary sampanan’ny Fa­sankarana Efa nisy ny fanandramana mialoha nataon’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny […]

Kaomisera H. Fanomezantsoa: Hiofana momba ny fanondranana harena

Efa any Etazonia ny kaomisera Harinaivo Fanomezan­tsoa Andrianirina, voafantina handray anjara amin’ny “In­ter­national Visitor Leadership Program” (IVLP). Hiompana amin’ny ady amin’ny fitrandrahana sy ny fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary izy. Mandritra ity volana jolay ity ny kaomisera Andrianirina, hitsidika tanàna maro any Etazonia, anisan’izany i Washing­ton, D.C., Baltimore, Denver, Portland, […]