Taratra

ANTOKO TGV: nesorina i Razanamahasoa Christine

Nilatsaka ny fanapahan’ny birao nasionalin’ny TGV, ny faran’ny herinandro teo. “Ala­na tsy ho mpikambana amin’ny antoko intsony Razana­ma­hasoa Christine ary tsy afaka miteny amin’ny anaran’ny TGV koa”, hoy ny fanambarana. Anton’izany ny fanambarana narahina fanapahan-kevitra sy fihetsika tsy nifampierany tamin’ny antoko. Tsy mifanaraka amin’ny foto-kevitra ijoro­an’ny TGV izany, araka ny […]

Miova vao manova

  Amin’ny politika, na mahavoa na voa roa: fanaovan-javatra amin’ny fotoana tena ilana sy mety ary tsara anaovana azy. Efa fahaizana politika ny fahalalana sy fanararaotana ary fahazoana antoka izany. Eo koa izay atao amin’izany, ny fomba fanaovana azy, ny olona hanao… Tsy fanaovana kitsapatsapa izany, tsy atao amin’ny fahazarana, […]

Kandidà Andry Rajoelina: Tian’ny mponin’Antananarivo

Mihamafy ny fitiavan’ny vahoakan’Antananarivo ny kandidà Andry Rajoelina. Hipoka ny kianjan’Antsonjombe, omaly. Tazana teny an-toerana ny mpanara-maso avy amin’ny Sadc. Tontosa omaly, teny amin’ny Coliseum An­tson­jombe, ny faradoboky ny fampielezan-kevitry ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina ho an’Anta­nanarivo. Nifanitsa-kitro ny vahoaka nanotrona azy. Ni­ampy ireo olom-boafidy maro sy ny mpiara-miasa […]

Fanafihan-jiolahy : Inspektera maty voatifitra teo amin’ny kibony

Namoy ny ainy nandritra ny fitifirana nataona jiolahy nitam-basy nanafika  tranombarotra tao amin’ny kaomi­nina Ambovombe Centre/ Manan­driana, distrikan’Amba­la­vao, ny polisy iray, afakomaly. Jiolahy dimy lahy no niditra an-keriny tao amin’io toeram-pivarotana io. Nandroaka izay azo nalaina izy ireo ary roa lahy hafa niandry teny ivelan’ny trano. Nahazo fampahafantarana ny mpitandro […]

TSELATRA

Zazakely iray namoy ny ainy nipoahan’ny bateriana finday nofahanana tamin’ny takelaby mandeha amin’ny masoandro tao Andranomanelatra Antsirabe, ny zoma teo. Nirefotra teo amin’ny toerana namahanana azy ilay bateria ka nandoro trano nisy zazakely natory teo ambony fandriana. Kila tsy nisy namantarana azy intsony ilay zaza niharam-boina. Nifanome tanana ta­min’ny famonoana […]