Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Base 213 Arivonimamo, ny dingana farany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja fiarakodia mandeha amin’ny halaviran-dalana 400 metatra, «Run Ama Final Round». Hofantatra amin’io fotoana io, ny anaran’ny tompondaka amin’izany. Marihina fa hiady izay ho lohany amin’ity i Herizo Boarilaza na i Bobo sy Rasolojaona Tahiana […]
Taratra
SOMBIM-BAOVAO
Tazana nitaky ny fanampiana teny Ivandry, ny alakamisy lasa teo, ny lehiben’ny Federasiona malagasin’ny bisikileta. Ity farany izay mitaky tsy misy farany ny hampiana, nefa tsy mbola manisy feo amin’ny fikarakarana ny fifaninanam-pirenena. Ny taona 2025, handray ny fifaninanan’ny Nosy eto amin’ny ranomasimbe Indianina i Madagasikara. Hotontosaina anio, eny amin’ny […]
Rugby – « XXL Top 12» : hifampitana ny Tam sy ny TFMA
Hiditra amin’ny andro faha-10 ny fifaninanam-pirenena “XXL Top 12”, taranja rugby. Fihaonana hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Hanamarika izany ny fihaonan’ny Tam Anosibe sy ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra). Adin’ny samy kartie ny lalaon’ny roa tonta. Hanala vela amin’ity ny Boaikelin’Ankasina. Samy manana ny fomba filalaony ny andaniny […]
« Africa Cup 3×3 » :Tsara fanombohana ny Malagasy
Nanomboka, omaly, tetsy amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety 3×3. Tsara fanombohana ny Malagasy Fandresena avy hatrany no nisantaran’ny ekipam-pirenena malagasy ny andro voalohany, amin’ny « Fiba 3X3 Africa Cup », izay nanomboka omaly. Samy nahomby avokoa na ny Ankoay lehilahy na ny vehivavy. Teo amin’ny sokajy […]
TARATRY ny KANTO
Nitsidika ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Mara Volamiranty Donna, ny solontena maharitry ny Unicef miasa eto amintsika, Christine Jaulmes. Niompana tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ny fihaonana, tetsy amin’ny biraon’ny minisitra Nanisana, omaly. Anisan’ny nojerena manokana ny fanavaozana ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny Unicef sy ny […]