Nandrefy ny dingana vita ho an’ny enim-bolana voalohany, ho an’ity taona ity, ny departemantan’ny filaminam-bahoaka, izay sahanin’ny minisitra, ny inspecteur général de police, Erick Michel Wouli Soumah Idrissa. Anisan’ny nimasoana voalohany ny lafiny fanabeazana satria ny polisim-pirenena tsy natao ho mpanasazy fotsiny ihany fa mpanabe ny olom-pirenena koa ho fisorohana […]
Taratra
Mondial 2026 : Nangoron-damba avokoa ireo mpampiantrano
Miato ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany «Mondial 2026», ho an’ity andro alarobia ity. Efa fantatra avokoa ireo ekipa 8 tafita amin’ny dingana ampahefa-dalana. Firenena goavana maro no nihintsana. Tsy misy tafita ihany koa ireo mpampiantrano miisa telo. Tapitra omaly ny dingana ampaha-16-ndalana hiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”, […]
TARATRY ny KANTO
Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana, 100 taona. Hisy ny lahadinika sy fampirantiana momba ity mpanoratra manana ny mampiavaka azy ity, ny 15 jolay manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, eny amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza. «Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana sy ny anjara birikiny teo anivon’ny Akademia malagasy» ny lohahevitra amin’izany. Sehatra bagasy volana jolay. […]
Raha te handroso… : Mila ihoarana ny « Mitady ny very »
Vanim-potoana tsy manam-piafarana? Mihitsoka ao anatin’ny «Mitady ny very ny Malagasy»? Taona 1896, vao nalain’ny Frantsay an-terisetra ny fahaleovan-tena. Nandalo sy nisongadina be teo amin’ny taona 1960. Nandalo ny 1972… Hatramin’izao, mbola mitady ny very hatrany ny Malagasy. Tafiditra ao anatin’izany ny kolontsaina. Efa mila ihoarana ny «Mitady ny very» […]
Adihevitra literera: Hotarihin’i Sy sy i Liantsoa
“Soratra velo-maharitra sa soratra velona mandrakizay?”. Io ny lohahevitra iompanan’ny adihevitra literera, hotontosaina anio amin’ny 2 ora, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, Efitrano Dox. Ny Faribolan’ny poeta sy mpanoratra Sandratra no mikarakara ny fotoana. Hitarika ny adihevitra kosa i Sy sy i Liantsoa. Ny voalohany, mpanao gazety, mpanoratra ary mpanabe an-tserasera; […]





