Taratra

TSELATRA

Sarintsarina fakana an-keriny no nataon’ilay raim-pianakaviana iray nilaza ho tsy hita tao amin’ny distrikan’Anjozorobe, ny herinandro lasa teo. Nananan’ny banky vola izy ka tokony hamerina izany. Nitady hevitra io lehilahy io ka nandefasany hafatra miafina tamin’ny finday ny havany fa nisy naka an-keriny izy. Nody moramora ity farany rehefa tsy […]

Nariana tao an-davadrano: zaza vao 2 taona maty novonoin-dreniny

Notanana vonjimaika any am-ponja ny renim-pianakaviana iray namono nahafaty ny zanany vao 2 taona monja, tao Mampikony, omaly. Nisaraka tamin’ny rain-janany io ramatoa io ny volana mey lasa teo. Taizan’aretina anefa ilay zaza ka tsy afa-nitsangana. Manoloana io fahasembanan-janany io, nitsiry ny hevi- dratsin’ilay ramatoa reniny. Novonoina tamin’ny fomba feno […]

Tafaporitsaka ny iray : jiolahy nahatrarana rongony roa gony

Saron’ny zandary tao amin’ny kaominina Belalôgno, distrikan’i Befandriana Avaratra, afakomaly, ny jiolahy iray niaraka tamin’ny rongony roa gony. Nahazo loharanom-baovao momba ny fisian’ity jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina ity ny zandary ka nahafahana nanao ny vela-pandrika. Roa lahy izy ireo no nitondra entana tao amin’ny fokontany Ambodiadabo saingy tafaporitsaka ny iray. […]

Fanararaotana ara-nofo : Pasitera voaheloka higadra herintaona

Nomelohin’ny fitsarana hamita sazy an-tranomaizina herintaona miampy onitra 16 tapitrisa Ar ny pasitera amina fiangonana zandriny iray ao Ambalamanasy Toamasina, nandritra ny fivoahan’ny didim-pitsarana momba azy, ny alakamisy teo… Nivoaka ny alakamisy lasa teo ny didim-pitsarana manameloka ny pasitera iray ao amin’ny fiangonana zandriny, ao Am­ba­lamanasy Toamasina. Nome­lohin’ny fitsarana hamita […]

IFVM: 31 000 ha ny velaran-tany namonoana valala

Nanomboka ny 6 jolay 2024 ny hetsika famonoam-balala ana habakabaka ataon’ ny Ivontoerana famonoana ny valala eto Madagasikara (IFVM). Tanteraka izany vokatry ny famatsiam-bola avy amin’ny Fida, nataon’ny tetikasa Defis, ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana miaraka amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Nahatratra 2 150 ha ny velaran-tany voatondraka fa­nafody nataon’ny […]