Taratra

Zotra efa mahazatra ny maro: miavaka amin’ny zava-misy rehetra ny fitaterana an-taksiborosy

Manana ny mampiavaka azy ny fitaterana eto Madagasikara. Samy manana ny mahazatra azy kosa ny distrika tsirairay. Anisan’ny olan’ny fitaterana nasionaly sy ny any amin’ny faritra ny haratsian-dalana. Mbola misedra olana goavana ny fitaterana eto Madagasikara. Anton’izany ny haratsian-dalana manerana ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy sy ny fahanteran’ny fiara. […]

FANTINA sy FINTINA

Andrasana ny governemanta vaovao ny fankatoavana, amin’ny alalan’ny didim-panjakana amin’ny filankevitry ny governemanta, ny soso-kevitry ny Ceni hoe amin’ny 6 novambra ny ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Tokony hivoaka amin’ny 6 aogositra izany farafahelany, fa izay ny 90 andro mialoha ny datim-pifidianana, raha ny voalazan’ny lalàna. Angamba, mbola mandamina […]

HAINGO PARADIS : “Fotoana handraisana andraikitra izao”

Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra, ny fanaterana ny antontan-taratasy amin’ny firotsahana ho anisan’ireo hofantenana ho ministra, ho an’i Volo­lom­boahirana Haingotiana Laurence, fantatry ny maro amin’ny anarana Haingo Paradis Madagasikara. Ny fahatsapana ny zava-misy sy iainan’ny vahoaka no tena nanosika azy hirotsaka hofantenana amin’ny ho mpikambana eo anivon’ny governemanta. Nanambara izy […]

Minisitra miasa

  Misokatra ho an’ny kandidà rehetra te hiditra minisitra indray aloha ny lapa. Tsy ankanavaka izany fa izay vonona dia afaka mandefa taratasy fangatahana toy ny mpitady asa rehetra. Efa nilaza rahateo ny filohan’ny Repoblika fa tsy mirotoroto amin’ny fanendrena mba hahafahany misafidy tsara izay ho sakaiza mahatoky sy vonona […]

La Réunion – Madagasikara : mitohy ary hatevenina ny fiaraha-miasa

Misy ifandraisana ara-tantara eo amin’ny fiavian’ny mponina i Madagasikara sy La Réunion. Misy koa ny fiaraha-miasa, ary mitohy sy hatevenina izany amin’izao… Fahasalamana, fampianarana, toekarena man­ga, angovo azo havaozina, ny fifanakolazana eo amin’ny fikarohana ara-tsiansa… Ireo no sehatra isian’ny fiaraha-miasan’ny La Réunion sy i Madagasikara, raha ny fanazavan’ny filohan’ny Filankevi-paritra […]