Anisan’ireo tropy samy kalaza no nifanandrina, omaly. Ry Rasoalalao Kavia, izay nanamarika ny faha-35 taonany an-tsehatra sy ny Rapaulson. Samy nitondra hira vaovao izy ireo. Vao maraina dia efa hipoka olona tetsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina. Mpankafy tonga nanatrika ny adin-kiragasy goavana tao amin’io toerana io ireo. Niavaka kely tamin’ny […]
Taratra
FANTINA sy FINTINA
Nitafa tamin’ny tomponandraiki-panjakana ao amin’ny faritra Anosy ny Praiminisitra, Ntsay Christian, ny faran’ny herinandro teo. Notsindrin’ny PM tamin’izany ny tokony hananan’ny tomponandraiki-panjakana fahatsapan-tena maha tompon’andraikitra, ny ady amin’ny kolikoly, ny fahafehezana ny andraikitra ary ny fahaiza-mitarika. Nisokatra omaly, tany Accra, renivohitr’i Ghana, ny fivoriana ara-potoana faha-45 ho an’ny firenena mpikambana […]
Depiote Rakotondrasoa Fetra: “Manomboka manova mpiara-miasa ny filoha”
“Inona no andrasana amin’ ny governemanta ary naninona ny Praiminisitra teo aloha ihany no notanana? Ny fahitako azy: efa manomboka mametraka fanovana amin’ny olona hiara-miasa aminy ny filohan’ny Repoblika, raha tsy hijery afa-tsy ny zava-misy eo anivon’ny Antenimierampirenena.” Io ny fijerin’ny depiote voafidy tany Miarinarivo tamin’ ny anaran’ny Irmar, Rakotondrasoa […]
Asa haingana sy mivaingana
Mangingina ny tontolo politika amin’izao? Any ambadika, mandeha hatrany ny karazana kajikajy sy paipaika. Tsy inona fa ny amin’ny fandrafetana izay ho governemanta vaovao eo. Hanao ahoana? Misy tonga amin’ny kitsapatsapa, fifandresen-dahatra, fandefasana resaka na tsilian-tsofina… Na ny mpiray donak’afo aza, mety misy mifanosika an-toerana? Samy te ho… Aoka […]
Tany ho an’ny Malagasy : karatany 3 072 nozaraina tao Mahavelona Itasy
Ao anatin’ny fanatanterahana ny fanomezana karatany sy titra faobe ho an’ny vahoaka malagasy ny fitondram-panjakana amin’izao, amin’ny alalan’ny tetikasa tohanan’ny Banky iraisam-pirenena no hanatanterahana izany. Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny hetsika fizarana karatany sy titra faobe ho an’ny mponina ao amin’ny kaominina Mahavelona, distrikan’i Miarinarivo, Faritra Itasy. Ankoatra ireo […]




