Anisan’ny andry amin’ny fampandrosoana amin’izao fe-potoam-piasana izao ny fampiroboroboana ny maha olona. Na ny sosialim-bahoaka… Mby aiza? Marolafy ny fahasahiranam-bahoka, toy ny tsy fandriampahalemana, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy fisian’asa… Tsy inona fa fahantrana lalina sy maharitra ary saika mahahenika ny sarambabe. Vaindohan-draharaha ny ady amin’ny fahantrana amin’izany? Eo […]
Taratra
Loholona Rabetsaroana Sylvain: “Mametraka ho ambony ny fahaiza-manao ny filoha”
Niresaka tamin’ny mpanao gazety momba ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny ny loholona Rabetsaroana Sylvain, omaly. Nambarany tamin’izany fa iray ihany ao anatin’ny fahasamihafana ny Malagasy. “Noporofoin’ny filoham-pirenena fa iray ihany isika manoloana ny resabe momba ny fifandanjana isam-paritra”, hoy izy. Nanteriny fa tsy manavaka ary tsy mifidy na iza na iza […]
TSELATRA
Niakatra fampanoavana tao Arivonimamo, omaly, ny mpamilin’ilay fiara 4×4 sy Mazda voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’ireo telo mianaka nandeha bisikileta. Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana raha teny an-dalana ho eny amin’ny hopitaly kosa no namoy ny ainy ny renim-pianakaviana mitondra vohoka sy ny zanany kely iray. Raikitra ny fifanjevoan’ny fokonolona […]
Teo am-pivarotana jante alu: tratran’ny zandary i Rasta mpangalatra fiara
Natolotra ny fampanoavana omaly ka naiditra am-ponja indray i Rasta, jiolahy raindahiny amin’ny halatra fiara. Nisy nangalatra ny alahady 14 jolay lasa teo ny fiara taxi R.11 teny Ambohimangakely ka nifampitadiavana. Nivoaka nandeha nisakafo ny mpamily tamin’io fotoana io. Hatairana anefa ny azy nony avy nisakafo fa tsy teo amin’ny […]
Talata Volonondry : mpamaky trano efatra naiditra am-ponja
Efa nisazy intelo tany am-ponja ny iray tamin’ireo mpamaky trano efa-dahy voasambotry ny zandarimaria tao Ambaniatsimo Antampontsena, kaominina Talata Volonondry, ny 14 jolay teo. Mateti-pitranga ny fahavakisana trano ao an-toerana ka nanao vela-pandrika ny mpitandro filaminana. Niara-nifanome tanana tamin’izy ireo rahateo ny fokonolona izay efa leo ny hala-boty. Sarona, nandritra […]




