Miseholany ny tranga fihazana sy fanondranana biby arovana. Sokatra maherin’ny 5 000 no sarona nanomboka ny volana janoary teo. Mitotaly 5 383 ny isan’ny sokatra sarona nanomboka ny volana janoary teo hatramin’ity volana jolay 2024 ity, araka ny antontanisa navoakan’ny Turtle Survival Alliance na TSA Madagasikara, izay fikambanana tsy miankina […]
Taratra
Forum – Mini-basket : nahatratra 410 ireo ankizy nandray anjara
Nifarana omaly, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny “Forum Africain Mini-Basket”, andiany fahenina. Ankizy miisa 410 mianadahy, manerana ny Nosy, no nisitraka ny fiofanana nandritra ny efatr’andro teny an-toerana. Tsara marihina fa atrikasa fampianarana basikety ho an’ny ankizy ny “Forum Africain Mini-Basket”, izay nahitana fampiofanana isan-karazany. Tsiahivina fa mpanazatra 70 […]
Tenisy- Davis Cup: nandresy an’i Libye, laharana voalohany i Madagasikara
Niampy indray ny fandresena ho an’ny ekipam-pirenana malagasy, taorian’ny andro faharoa. Resin’i Madagasikara 3 no ho 0 i Lybie, tamin’ny fifaninanana «Davis Cup » taranja tenisy, sokajy lehilahy, ho an’ny vondrona faha-5, atao atsy Botswana. Mitana ny laharana voalohany ao amin’ny vondrona C i Madagasikara taorian’ny andro faharoan’ny fifaninanana «Davis […]
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 10 000 ny zana-trondro nozaraina tamin’ ny mpiompy trondro tilapia any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, ny 16 jolay teo. Mpiompy miisa 23 ny mpisitraka avy any amin’ny distrikan’i Vangaindrano, Farafangana ary Vondrozo. Nanolotra izany ny ao amin’ny minisiteran’ny Jono, entina hampiroboroboana ity seha-pihariana ity. Hahodina ho angovo madio « biométhane » […]
Tsy fisian’ny orinasa : Sakana ho an’ny fampandrosoana ao Toliara
Mibahan-toerana ny tsy fisian’ny asa any Atsimo Andrefana. Anisan’ny manana izany fijery izany i Bokassa, filohan’ny fikambanana Zatovo tsy an’asa any Toliara. « Tsy azoko mihitsy ny zava-misy, mitady fanampiana ara-bola etsy sy eroa ny fanjakana, nefa samy manana ny otrikarenany daholo ny rafitra tsirairay, ary anisan’izany ny tapany atsimon’ny Nosy », […]




