Tsy nahitana korontana loatra ny famatsiana lasantsy SP95 teto Antananarivo, omaly. Araka ny efa nampahafantarin’ny OMH, tonga omaly ny sambo mitatitra solika avy any Oman, ary mandritra ny 2 andro eo ny fandaminana ny fitsinjarana. Tsy misy olana kosa ny famatsiana gazoala sy ny solitany fandrehitra. Inoana fa hitohy izany […]
Taratra
Famerana ny ravimbola ho 1 000Ar: Hampiakatra ny lanjan’ny vola malagasy
Betsaka ny tombontsoa ara-toekarena mahakasika ny tetikasan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) hanova ny rafitry ny vola eto Madagasikara. “Hampakatra ny lanjan’ny Ariary sy hifehezana ny fivezivezen’ny vola ary hampakatra ny tahan’ny fampiasana banky (taux de bancarisation) izany”, araka ny fanazavan’ny mpahay toekarena, Rakotoarisoa Tahina. Anatin’ny vanim-potoan’ny teknolojia ihany koa isika […]
Voly hasy : Hampandrosoana ny sehatry ny lamba
Mikasa ny hanarina ny sehatry ny hasy i Madagasikara, raha ny nambara nandritra ny fikaonandoham-pirenena hanarenana ny toekarena. Tanjona ny hanova ity akora ity ho fototra hampandrosoana ny indostrian’ny lamba eto an-toerana. Kendrena ny hampitombo ny famokarana manerana ny Nosy mba hahafahana manodina izany eto an-toerana. Heverina fa hanampy amin’ny […]
Akamasoa Andralanitra : Napetraka ny fitaovana hitiliana ny kalitaon’ny rivotra
Napetraka ny fitaovana hamantarana ny kalitaon’ny rivotra, iarahana amin’ny Pnud eny amin’ny toby Akamasoa Andralanitra. Misy koa ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny World Trade Center (WTC). Miaina amin’ny fahalotoan’ny rivotra, isan’ andro, noho ny toeram-panatobiana fako ny eny Andralanitra, ny toby Akamasoa. Manoloana izany, napetraka eny an-toerana ny […]
FANTINA sy FINTINA
Torohevitra amin’ny fitantanana sy fampiasana ho amin’ny fampandrosoana ny vola azo avy amin’ny tamberim-bidy avy amin’ny orinasa Ambatovy. Izay no fiofanana atrehin’ireo ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina eo anivon’ny kaominina enina misitraka ny tamberim-bidy, faritra Alaotra Mangoro. Hateloana, ao Moramanga, ny fiofanana izay natomboka omaly. Nahazo loka faharoa tamin’ireo firenena fito […]




