Entina hampandrosoana ny eny ifotony ny Ciad. Tetibola tantanan’ny solombavambahoaka. Ho an’ny distrikan’Antsimondrano, nilaza ny solombavambahoaka Andry Ratsivahiny, omaly fa entina hanampiana ny tantsaha, indrindra ny mpamboly, ny tetibola amin’ity taona ity. Natolotra omaly ireo fitaovam-pambolena ho porofo iaraha-mahita ho an’izany fanohanana ny tantsaha izany. Nahitana kubota, milina fikapohana vary […]
Taratra
Hanamafisana ny fiatrehana ny voina : Nahazo fampitaovana avy amin’ny Pam ny BNGRC
Efa miomana sahady amin’ny fiatrehana ny fotoam-pahavaratra manaraka ny tomponandraikitra ka hanampy ny fahazoana fitaovana sy fiara avy amin’ny mpiray ombon’antoka. Nahazo fampitaovana hanatsarana ny andraikitra sahaniny ny BNGRC, omaly, teny Andrainarivo. Fiara tsy mataho-dalana roa sy fitaovana ahafahana miserasera (radio) manampy amin’ny fandrindrana ny asa eny ifotony mandritra ny […]
Dr Souleman Ibrahim A.: “Tombony ho antsika ny Base Toliara”
Nitondra ny heviny momba ny tetikasa Base Toliara ny mpampianatra mpikaroka momba ny “Geologie appliquée au développement et à l’environnement” eny anivon’ny Oniversite, ny Dr Souleman Ibrahim Andriamandimby. “Tombony ho an’ny mpianatra ny fisokafan’ny orinasa Base Toliara. Ahafahana manao fampiharana sy fikarohana”, hoy izy. Nanteriny fa manana ny sampam-pikarohana momba […]
Mangarahara eo amin’ny fitsarana : Havadika ho niomerika ny didy fandravana
Notanterahina omaly, ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny famadihana ho niomerika ireo didy fandravana eo anivon’ny fitsarana. Nambaran’ireo tomponandraikitra fa tafiditra amin’ny mangarahara ny firosoana any amin’ny famadihana ireo didy fakan-tahaka ” Jurisprudence” ho niomerika. Maherin’ny 1 000 ireo didy efa tafiditra ao anatin’izany tranonkala izany, efa azon’ny rehetra jerena. […]
TARATRY ny KANTO
Tontosaina eny amin’ny tokotany malalaky ny Tranombokim-pirenena Anosy ny «Tsenaben’ny boky», ny 4 ka hatramin’ny 6 jona izao. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fanazavana sy fanentanana momba ny rohim-boky. Velakevitra samihafa. Anisan’izany ny hotanterahina ny 5 jona: «Inona no antsoina hoe : mpanoratra sy poeta» ? Famoahana ny boky «Lahabolana […]