Nilalao rano! Ankizilahy miisa roa maty lasan’ny rano tetsy Anosipatrana sy Fenoarivo, omaly. Lasa tany amin’ny rano lalina nakana tany fanaovam-biriky, tetsy Anosipatrana, ny iray ka namoy ny ainy. Nilomano tamin’ny rano teny Fenoarivo kosa ny iray hafa. Nezahina novonjena tany amin’ny mpitsabo ity farany saingy tsy tana ny ainy. […]
Taratra
Rugby à 7 – Sénior, vehivavy: Hanafika atsy Kenya ny Makis Ladies
Nanainga io maraina io ny Makis Ladies, sokajy “senior” ary hihazo an’i Kenya. Hiatrika ny “Africa Women’s Sevens Series 2026”. Fifaninanana rugby lalaovin’olona 7. Fihaonana hatao ny 7 sy ny 8 novambra ho avy izao. Firenena 12 no hiady ho lohany amin’ity. Ao amin’ny sokajy “C” ny Makis Ladies, miaraka […]
Barea sy Guinée Bissau: Hitantara ny lalao i Faneva Ima
Hiditra amin’ny andro fahatelo, afaka herinandro, ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena (Can 2027), taranja baolina kitra. Ho an’ny vondrona “L” misy ny Barea, hampiantrano an’i Guinée Bissau ny Malagasy, ny alakamisy 12 novambra ho avy izao, ao amin’ny Kianja Meknès, Maroc. Fantatra […]
Sombim-baovao
Mbola mitana ny laharana voalohany, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, diviziona faharoa, ny ekipan’ny zandarimaria nasionaly, GNFC. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 2, ny Disciples FC Espoir Analamanga. Raha mbola mahazo fandresena iray ny zandary amin’io fihaonana farany io, azo lazaina fa efa miakatra […]
Lalao Olympika ho an’ny tanora : Laharana fahafito i Bryan, judoka malagasy
Taorian’ny fifanandrinana maro natrehin’i Minoharintsoa Bryan, judoka malagasy, mipetraka eo amin’ny laharana fahafito ny tenany, tamin’ity lalao Olympika ho an’ny tanora atao atsy Dakar, Senegal, ity. Notontosaina afakomaly, ny fifaninanana taranja judo ho an’ny lalao Olympika ho an’ny tanora, atao atsy Dakar, Senegal. Mitana ny laharana fahafito, eo amin’ny sokajy […]





