“Amin’ny maha mpanao politika ny tena, indrindra hoe nofidin’ny vahoaka : metimety kokoa, angamba, raha hajaina sy lanjaina ny samboady, satria fitokisana nomen’ny vahoaka ny tena”, Io no nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina teo aloha, Andriamananoro Razafinarivo Augustin, izay voafidy ho solombavambahoaka ao amin’ ny boriborintany Antananarivo I tamin’ny anaran’ny […]
Taratra
Vaovao voaova
Hisy fiovana amin’izay ny politika eny anivon’ny Antenimierampirenena? Lapan’ny demokrasia… Amin’izao, voagidragidra ireo depiote hoe tsy miankina. Ambetin-dresaka amin’izany ny hoe mamita-bahoaka: mahaleo tena no nifidianana azy ireo, fa tsy hoe hirona atsy na aroa. Mety hiovaova araka ny fitsokan’ny rivotra politika ny fironana? Na inona mitranga sy atao, […]
Fifidianana sy propagandy: takin’ny Safidy ny fangaraharan’ ny vola
Namoaka fanambarana sady tatitra momba ny fifidianana depiote farany teo ny eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena, Safidy, ny herinandro teo. Maromaro ireo fitakiana ho fanatsarana ny fifidianana. Nambaran’ny Safidy fa mbola misy ny tsy fahampiana sy ny tsy fifandrindrana eo amin’ny lalàm-pifidianana ankehitriny. “Eo ny tsy fampiharana ny fepetra momba ny fangaraharahan’ny […]
TSELATRA
Zazavavy 4 taona maty voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana tao amin’ny RN37, teo Matavirano Antazoa, Malaimbady, afakomaly. Tsy tazan’ ny mpamily ilay zaza ka nitera-doza. Tazonina hanaovana fanadihadiana ilay mpamily nahavanon-doza. Teratany vahiny 16 niara-naiditra am-ponja rehefa tratra nanao fiondranana antsokosoko tao Ambanja, ny faran’ny herinandro teo. Tsy nahitana taratasy ara-dalàna avokoa […]
Vonoan’olona mampiahiahy: vazaha hita faty nihosin-dra tao an-tranony
Vazaha iray 73 taona hita faty nihosin-dra tao an-tranony, ao amin’ny fokontany Antanimasaja, vakim-paritra fahatelo Mahajanga, omaly maraina. Nahitana tsindrona zava-maranitra maromaro teo amin’ny vatany, ny tendany hatrany amin’ny lohany. Araka ny fanazavan’ny tovolahy iray taizany (izay mpiambina ny tanànany ihany), tamin’ny 2 ora maraina, henony niresaka tamin’ny sakaizany ity […]




