Nampivarahontsana! Lohan-dehilahy iray hitan’ny fokonolona tao anaty harona plastika tao amin’ny fokontany Ambohiponana, kaominina Ambositra, omaly. Ankizy nanasa lamba teo amoron-drano no nahatsikaritra fonosona iray natsingevan’ny rano teo amin’ny 59 metatra miala amin’ny RN7. Nosokafan’izy ireo, nisy lohan’olona misy ra tao anatin’io fonosona io. Nitsoaka kiririoka, niantso ny tomponandraikitra hijery […]
Taratra
Nisesy ny lozam-pifamoivoizana: nandriaka ny ra, maro ny olona maty
Tohivakana ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona ny faran’ny herinandro teo. Tandrevaky ny mpamily sy noho ny fihonjonana ateraky ny vesatra tafahoatra no nahatonga ny loza. Am-polony ireo olona namoy ny ainy… Nitrangana lozam-pifamoivoizana nandratrana olona teny Soanierana, ny zoma alina teo. Fiara Peugeot 406 iray hihazo an’Ankadimbahoaka no nifatratra tamin’ny tamboho […]
Rehefa fady dia fady : mila omen-kasina indray ny ankohonana
Tsy mandeha amin’ny laoniny ny fiainam-piarahamonina malagasy. Tsy manaraka intsony ny lamina voajanahary, ny zava-misy. Voasarontsarona amin’ny « lafo ny fiainana », fa tsy misy sahy mampibaribary ny fototry ny olana… Tranga misy any amin’ny ankohonana malagasy maro. Ray niteraka tsy mendrika ny ho fitaratry ny zanany. Reny nitondra sivy volana an-kibo, […]
Marinna Lemary : niverina ho Arnaah…
Safidy goavana! Fa manana ny antony azy manokana, izay tsy mbola nambarany aloha hatreto i Arnaah. Eny, niverina ho Arnaah indray ny anarana entin’ity mpanakanto ity an-tsehatra, ary manaporofo izany ilay rakitsara vaovao, navoakany omaly. “Mavandy” ny lohateniny, izay hira noforonin’i Nofar Tafara, natao hifanaraka amin’ny feo sy ny gadona […]
Madagaslam Section Tanà : manomana fifaninanana samihafa ny fikambanana
Zavakanto anisan’ny maro mpankafy sy miroborobo ny “Slam poésie”. Tsy mikely soroka ihany koa ireo tomponandraikitra manatevina ny fahaiza-manaon’ireo liana amin’izany. Mikarakara hetsika momba ny « Slam Poésie », eny amn’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM Analakely), ny Madagaslam Section Tanà (MST). Hetsika natao ho an’ny mpiangaly Slam poésie, indrindra ireo vao misandratra. Tanjona ny […]




