Taratra

Fampianarana ambony: Nahazo tablette 100 ny Mesupres

Nahazo tablette miisa 100 avy amin’ny minisiteran’ny Fam­piroboroboana sy ny fa­novana ny haitao ara-kajy mi­rindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Tafiditra ao anatin’ny politika ankapoben’ny fanjakana ny fanatobiana niomerika ary tanjona ny fampiroboroboana ireo oniversite manakaiky vahoaka. Tafiditra ao anatin’izany indrindra ny […]

Fandrindram-piterahana 2024-2028: « Fomba hampihenana ny fahantrana ny fifehezana ny fitomboan’ny mponina »

43% ny tahan’ny fampiasana fandrindram-piterahana tsy tapaka eto amintsika, araka ny fanadihadiana ny taona 2021. Nisy ny ezaka fa tsy mbola tratra ny tanjona satria ny 30% amin’ny zatovovavy 15-19 taona no efa miteraka avokoa ka lasa vesatra ho an’ny fianakaviana sy ny firenena fotsiny. Latsaky ny 15 taona ny […]

Fetim-pirenena Frantsay : olom-panjakana maro niatrika ny lanonana

Tontosa omaly, teny amin’ ny « Residence de France » Ivandry, ny lanonana fankalazana ny fetim-pirenena fran­tsay, ho an’ny teto Madagasi­kara. Olom-panjakana sy olo-manankaja maro eto amin’ny firenena no tonga niatrika ny lanonana. Anisan’izany ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta teo aloha sy ireo masoivohon’ny firenena maro samihafa. Anisan’ny firenena manana ny maha […]

FANTINA sy FINTINA

Filoha lefitra fahafito eo anivon’ny Anteni­mie­rampirenena natolotry ny Firaisankina, ny depioten’i Toliary I, Randrianasoloniaiko Siteny. Avy amin’ny Irmar kosa ny kestora I, ny depioten’i Lalangina, Rivotiana Richard Jean Bosco sy ny kestora II, Andrianasolo Nadine, avy any Manakara. Tsy miankina ny kestora III, Vololomboahangy Tsiriniaina, Amparafaravola. Nofidin’ireo depiote ho mpampakateny […]

Masinina haingam-pandeha

  Miridana tsy misy ohatran’izany ny raharaham-pire­nena. Milomay mafy ny fametrahana ny olona hibaiko sy hitondra firenena. Poa toy izay, voarafitra ny birao maha­ritra ao Tsimbazaza. Tsy niandry ela ny fanendrena izay ho Praiminisitra. Ary anatin’ny fotoana fohy dia hiseho masoandro ny mpikambana anaty governemanta. Misy dikany politika goavana izany […]