Taratra

Rugby : mpanazatra 7 lahy niofana

Notanterahina ny alarobia sy ny alakamisy lasa teo, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny fiofanana ho an’ ireo mpanazatra manana ny fahaizana “niveau 2”. 7 mirahalahy izy ireo, avy amin’ny klioba “federal 2”. Nitarika sy nampi­ofana kosa i Mohamed Sharaoui, manam-pahaizana avy amin’ny World Rugby. Mbola karazana tombana ity natao […]

“Coca-Cola PFL” : hanala vela amin’ny Cosfa ny Ajesaia

Hotanterahina rahampitso avokoa ny lalaon’ny andro voalohany ho an’ny fifanintsanana “Playout Coca-Cola Pureplay Football League”. Kianja roa no handray ny lalao, eto Antananarivo, amin’izany. Hotontosaina eto an-drenivohitra, rahampitso, ny andro voalohan’ny fifaninanam-pirenena hahafantarana ireo ekipa roa midina any amin’ny diviziona faharoa, “Playout Coca-Cola PFL”, ho an’ireo kaonferansy roa, avaratra sy […]

Jean Nirina R: « Tsy tokony hiandry fanjakana vao hiasa… »

Nifarana omaly ny fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny lefakozatra, andiany faharoa, tamin’ity taona ity. Naharitra efatra andro ny hetsika niarahana tamin’ireo mpisehatra momba ny fahasalamam-bahoaka. Tsy diso anjara tamin’izany ny teo anivon’ny fokontany Anosizato Atsinanana. « Mbola misy ny lefakozatra ka tsy tokony hatao antsirambina ny fahasalaman’ny ankizy », hoy ny sefo fokontany Anosizato Atsinanana, […]

Vovonana CommCare: hanamora ny angom-baovao mahakasika ny sehatra ara-pahasalamana

Vovonana manokana ahitana ny vaovao mahakasika ny lafiny ara-pahasalamana eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny CommCare. Nampahafantarina, omaly, tetsy amin’ny Carlton Ano­sy, ny fisian’ny vovonana antsoina hoe CommCare. Natao hanampiana sy hanamora ny fanangonam-baovao sy fanaovan’ny mpiantsehatra eny ifotony ny tatitra mahakasika ny sehatra ara-pahasalamana. Mi­sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka […]

INDRAY MIJERY

Manokana vola mitentina 79 miliara dolara ny fanjakana. Maneran-tany 400 tapitrisa ny vohoka tsy iriana azo sorohina ary 1 tapitrisa ny isan’ny vehivavy ho avotra. Raha ampiana ny isan’ny mpampivelona mikarakara ny fahasalaman’ny vehivavy, 41% amin’ny fahafatesan’ny vehivavy ho voasoroka avokoa. Hahazo vahana ny varatraza, tombanana hitondra alondrano any amin’ny […]