Taratra

Tetikasa Kanto Manabe : zavakanto mivelatra sy matihanina no tanjona

Anisan’ny singa iray ahafahana manabe sy mitaiza, indrindra ho an’ny ankizy sy tanora, ny zavakanto. Efa mivelatra amin’ny fikajiana ny tontolo iainana izany ankehitriny ho an’ny TKM. Tanterahina eny amin’ny Alliance française d’An­ta­nanarivo (AFT) Anda­vamamba, ny fampirantiana asa kanto, nomanin’ny fikambanana Plum’art sy ny mpandray anjaran’ny tetikasa Kanto Manabe. Azo […]

Basikety : handeha ho any Kosovo ny Ankoay

Hotanterahina any Ko­sovo, amin’ny faha-20 ny volana jolay ho avy izao, ny fifaninanana taranja basikety 3×3, “Le tournoi international Chal­lengers de Pristina”, sokajy lehilahy. Araka ny loharanom-baovao voaray avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB), omaly, afa­ka miatrika izany ny Ankoay rehefa tsy vonona amin’ity hetsika ity i France, tompondakan’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina any Mahajanga, ny 13 hatramin’ny 20 jolay ho avy izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, ho an’ny sokajy zandriny. Miisa 20 ireo klioba hifanintsana ao amin’ny vehivavy. Naaton’ny Federasiona malagasin’ny volley-ball kosa ny lehilahy, noho ny tsy fahafenoan’ny fetr’isa takina amin’ny fifaninanam-pirenena. Tonga omaly, teny amin’ny seranam-piaramanidina […]

Lalao Olympika “JO 2024”: I Rija sy i Sidonie no hisolo tena ny atletisma

Atleta mianadahy no hiatrika ny lalao Olympika izay hotanterahina any Paris France, eo amin’ny atletisma dia i Rija sy i Sidonie. Hihazakazaka eo amin’ny 100 m misy fefy i Sidonie raha eo amin’ny 100 m tsotra kosa i Rija. Taorian’i Sidonie Fiada­nantsoa, izay nomen’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny atletisma ny fahazoan-dalana hiatrika […]

INDRAY MIJERY

Vita ny atrikasa narahina fiofanana momba ny fahitan’ireo olona manana fahasembanana sy ny fiarahamonina ao amin’ny faritra Menabe ny zava-misy mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana. Niara­hana tamin’ny fikambanana Autisme Mada­gasikara izany. Naharitra roa andro ny atrikasa nampitana tamin’ireo olona manana fahasembanana ny zony. Voa­resaka avokoa ny lafiny sosialy, kolontsaina sy ny […]