“Miisa 40 amin’izao fotoana izao ny ankizy manana fahasembanana ara-tsaina beazina ao amin’ny toeram-pandraisana manokana (classe intergrée) eo anivon’ny EPP Analakely. Mpanabe efatra avy amin’ny Association des éducateurs éspoir Mahalinjo niforona ny taona 2007” no misahana azy ireo, hoy ny filohan’ny Fikambanana, Rasoamihanta Tantelinirina, omaly, teny Analakely. Fiaraha-miasa amin’ny Cisco […]
Taratra
Fanadinana bakalorea : Tany Manjakandriana ny minisitra
Bakalorea tsy misy tomika no fanambin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Hanatrarana izany tanjona izany indrindra no anaovana ny fitsidihana eny ifotony ka nandehanana tany amin’ny ivontoeram-panadinanana any Manjakandriana. Nanome toromarika ireo tomponandraikitra amin’ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana ny minisitra Ravokatra Fidiniavo. Nijery ny fahatomombanan’ny fotodrafitrasa sy ny fahavitrihan’ireo […]
Sehatrasa fito nohadihadiana : misy fiantraikany ratsy sy tsara amin’ny zon’ny ankizy
Misy fiantraikany ratsy sy tsara amin’ny zon’ny ankizy ny sehatrasan’ny orinasa nohadihadiana, fa tokony hiezaka hampitombo ny vokatra tsara izy ireo, hoy ny tomponandraikitry ny sehatra tsy miankina ao amin’ny Unicef, Rafidimaharo Miary Nanao fanadihadiana teny anivon’ny orinasa tsy miankina miisa 40 amin’ny sehatrasa fito (fambolena, fizahantany, orinasa mpikirakira lamba…) […]
JIC 2024: antoka ho an’ny fampandrosoana ny kaoperativa
Mifamatotra tanteraka ny kaoperativa sy ny taninketsa indostrialy izay mpamokatra voalohany ny akora manodina ny orinasa One district one factory (ODOF). Tanjona apetraky fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), ny hanatsara ny fiainan’ny tantsaha mikambana ao anatina kaoperativa. Laharam-pahamehan’ny fanjakana rahateo ny fanavaozana ny […]
Tao anatin’ny dimy volana: mpizahatany 78 066 tonga teto amintsika
Manomboka mahazo aina ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara. Mahatratra 78 066 ireo mpizahatany tonga teto amintsika nandritra ny dimy volana voalohan’ny taona 2024. Niakatra io antontanisa io raha oharina ny tamin’ny dimy volana voalohan’ny taona 2023 izay 63 078. Na izany aza, mbola vitsy izany raha oharina ny tamin’ny taona 2019 […]




