Taratra

INDRAY MIJERY

Cisco maromaro manerana ny Nosy no efa namoaka ny voka-panadinana BEPC ny faran’ny herinandro teo. Nisantatra izany ny Cisco an’Andramasina izay nahitana vokatra 74,16%. Hatry ny omaly, manodidina ny 20 ny Cisco efa nahatafavoaka ny vokatra. Hitohy amin’ity herinandro ity izany. Tsindrindaona ireo tanora nanala fanadinana. Nitsidika ireo mpiasam-panjakana tany […]

Think Equal : Beazina hahaleo tena dieny mbola kely ny ankizy

Manomboka ny faha-3 hatramin’ny 9 taona ny ankizy no mora mandray kokoa ny fa­na­beazana. Fikambanana mi­sa­hana izany ny Zazakely Sambatra, niorina teto Ma­da­ga­sikara, nanomboka ny ta­o­na 2004. Tanjona ny hampivelarana dieny mbola kely ny ankizy, mba ho afaka ma­mo­lavola ny hoaviny. Misy ny paikadim-panabeazana «Think Equal», miainga amin’ ny fampivelarana […]

Fakiolten’ny Siansa : nankasitrahana ireo nahavita be

Nofaranana ny faran’ny herinandro teo ny fanamarihana ny faha-60 taonan’ny fakiolten’ny Siansa ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Notolorana mari-boninahitra ireo mpampianatra sy mpandraharaha 144 nahavita be teo anivon’ny fakiolte ka sivy amin’ izy ireo nahazo ny «Grand-Croix de 2ème classe de l’ordre national», 70 ireo notolorana ny «Grand officier de l’ordre national», […]

Profesora Alok Sharma : efa azo sitranina any Inde ny olona autiste

Mandrosobe ny fitsaboana sy fiahiana ny zaza autiste any ivelany. Nanaporofo izany ny profesora Alok Sharma avy any Inde. Nizara traikefa amin’ny fandrosoan’ny fitsaboana sy fitaizana ireo zaza autiste ny profeso­ra manam-pahaizana avy any Inde, Alok Sharma, ny sabotsy teo, tetsy Antaninarenina. Fantatra tamin’izany fa efa afaka averina amin’ny toetenan’ny olona […]

“Telma Coupe 2024”: lasan’ny Elgeco Plus ny amboara sy ny volabe

Tafita hiatrika ny fifaninanana afrikanina indray ny Elgeco Plus Analamanga. Tsy tafavoaka tamin’izy ireo ny CFFA Andoharanofotsy. Notoloran’ny Telma lelavola avy ireo ekipa roa niatrika ny famaranana. Toy ny tamin’ny taon-dasa ihany, norombahin’ny Elgeco Plus Analamanga indray ny amboaran’ny “Telma coupe de Madagascar 2024”. Resin’izy ireo tamin’ny isa 1 no […]