Taratra

Efa-dahy nanafika teny Andranomena: “Tranombarotra iray tombanana ho voaroba 20 miliara Ar”, hoy ny polisy

Nisy nanafika ny tranombarotra lehibe iray eny Andranomena, omaly. Voalazan’ny polisy teny an-toerana fa tombanana ho 20 miliara Ar ny vola very. Tsy nahazoam-baovao ny lasibatra nandritra ny fanadihadiana teny an-toerana. Jiolahy efatra nitondra moto roa, nandroba vola tamin’ny sakaosy teny Andranomena, omaly. « Nitain­gina moto scooter marika Racing ny roa […]

Mpanazatra ny Barea, roa sisa hisafidianana : i A Da Silva na i Corentin Martins

Raha ny vaovao voaray avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), anarana mpanazatra roa sisa no hanaovana safidy amin’ny fitantanana ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar “A”. Miandry ny fanapahan-kevitry ny fanjakana sisa izany. Tsy ho ela dia ho fantatra ny anaran’ny mpanazatra vaovao hitondra ny ekipa nasionaly malagasy, Barea […]

Nizara kominio: very tao am-piangonana ny poketran’i masera

Poketra nisy finday roa sy vola an’ny relijiozy iray lasan’ ny mpangalatra, tao am-piangonana teny Malaza Andoha­ranofotsy, ny alahady 5 janoary teo. Nandritra ny lamesa fidirana fahatelo, nampandray tao amin’io toeram-piangonana io ilay relijiozy. Netin’ny fahatokisana, napetraka teo amin’ny seza ny poketra. Tao anatin’ny indray nipi-maso, sendra nihodina nanao ny […]

Taolagnaro: nirehitra ny valan-javaboahary Andranara

Nitrangana firehetana tao amin’ny valan-javaboahary Andranara Ambinanibe, Taola­gnaro, ny sabotsy tolakandro teo. Araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana, ny ampahany manamorona ny seranam-piaramanidina ao Taolagnaro sy ny ampahany ao Antany Menabe no nirehitra tamin’io fotoana io. Nanamafy izany rahateo koa ny minisitra iray eo anivon’ny governemanta tompon’ny ampahany nirehitra […]

Farafangana: mpanapa-doha telo lahy notanana am-ponja

Niakatra fitsarana ny 3 janoary teo, niara-notanana am-ponja ireo telo lahy tompon’ antoka tamin’ny fanapahan-doha tao Farafangana. Dahalo telo lahy, nisandoka ho jama tao amin’ny tanànan’Anam­ba­kaka Iabohazo, distrikan’i Fara­fangana, ny 18 desambra 2024 lasa teo. Nalain’izy ireo an-keriny, tamin’izany, ny lehilahy iray fantatra amin’ny anarana hoe Dao. Notapahin’ireo tsy valahara […]