Vanim-potoana tsy manam-piafarana? Mihitsoka ao anatin’ny «Mitady ny very ny Malagasy»? Taona 1896, vao nalain’ny Frantsay an-terisetra ny fahaleovan-tena. Nandalo sy nisongadina be teo amin’ny taona 1960. Nandalo ny 1972… Hatramin’izao, mbola mitady ny very hatrany ny Malagasy. Tafiditra ao anatin’izany ny kolontsaina. Efa mila ihoarana ny «Mitady ny very» […]
Taratra
Adihevitra literera: Hotarihin’i Sy sy i Liantsoa
“Soratra velo-maharitra sa soratra velona mandrakizay?”. Io ny lohahevitra iompanan’ny adihevitra literera, hotontosaina anio amin’ny 2 ora, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, Efitrano Dox. Ny Faribolan’ny poeta sy mpanoratra Sandratra no mikarakara ny fotoana. Hitarika ny adihevitra kosa i Sy sy i Liantsoa. Ny voalohany, mpanao gazety, mpanoratra ary mpanabe an-tserasera; […]
“Festival Dona Be” – Antsohihy: “Harenina ireo lesoka”, hoy i Dadi Love
Efa mipetraka ny anarany ao Antsohihy. Miakatra tsikelikely, ezahina ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny Faritra Sofia sy Antsohihy manokana ny “Festival Dona Be”. Mba tsy ho fandalovana fotsiny ny Faritra. Hiditra amin’ny andiany faha-4. Hotontosaina ny 23 hatramin’ny 26 jolay ho avy izao ny “Festival Dona Be”, ao Antsohihy. […]
Airtel Africa : Ahodina indray ny 94% ny fako
Manana paikady natokana ho an’ny fitantanana ny angovo sy ny fampandrosoana ara – toekarena ny orinasa Airtel Africa, miparitaka aty amin’ny firenena 14 aty Afrika, ary anisany i Madagasikara. Mitentina 9,1 tapitrisa litatra ny gazoala laniny ny taom-piasana 2025-2026. Nambaran’ny tale jeneralin’nyAirtel Africa, Sunil Taldar, fa anisan’ny nahazoana io vokatra […]
Tetikasa Flyover : Hanomboka amin’ny 29 jolay ny asa
Hanomboka amin’ny 29 jolay ho avy izao ny asa fanatanterahana ny tetikasa Flyover. Mizara roa mavaza tsara izany. Voalohany, ny fananganana tetezana vaovao mitsingevana, eo Anosizato, antsoina hoe Flyover. Faharoa, ny fanitarana ny lalana manodidina ny tetezana vaovao. Tsy maintsy tsinjovina ny lafiny tontolo iainana. Misy ny fampahafantarana ny besinimaro […]





