Taratra

Fandaminana ny fifamoivoizana : Hofoanana ireo fiantsonana maromaro

Ho fandrindrana ny fifamoivoizana eto Antananarivo, nametraka lamina vaovao ny fiadidiana ny tanàna. Vahaola­na dinihina ny fanafoanana sy famindrana ny fiantsonan’ny taxi-be sasantsasany mba ha­namorana ny fivezivezen’ny fiara sy hampihenana ny fitohanana. Voakasik’izany ny eny Ankadimbahoaka, Tsim­ba­zaza ary sampanan’ny Fa­sankarana Efa nisy ny fanandramana mialoha nataon’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny […]

Kaomisera H. Fanomezantsoa: Hiofana momba ny fanondranana harena

Efa any Etazonia ny kaomisera Harinaivo Fanomezan­tsoa Andrianirina, voafantina handray anjara amin’ny “In­ter­national Visitor Leadership Program” (IVLP). Hiompana amin’ny ady amin’ny fitrandrahana sy ny fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary izy. Mandritra ity volana jolay ity ny kaomisera Andrianirina, hitsidika tanàna maro any Etazonia, anisan’izany i Washing­ton, D.C., Baltimore, Denver, Portland, […]

Departemantan’ny filaminam-bahoaka : Nanabe hisorohana ny fandikan-dalàna, nandritra ny enim-bolana

Nandrefy ny dingana vita ho an’ny enim-bolana voalohany, ho an’ity taona ity, ny departemantan’ny filaminam-bahoaka, izay sahanin’ny minisitra, ny inspecteur général de police, Erick Michel Wouli Soumah Idrissa. Anisan’ny nimasoana voalohany ny lafiny fa­nabeazana satria ny polisim-pirenena tsy natao ho mpanasazy fotsiny ihany fa mpanabe ny olom-pirenena koa ho fisorohana […]

Mondial 2026 : Nangoron-damba avokoa ireo mpampiantrano

Miato ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany «Mondial 2026», ho an’ity andro alarobia ity. Efa fantatra avokoa ireo ekipa 8 tafita amin’ny dingana ampahefa-dalana. Firenena goavana maro no nihintsana. Tsy misy tafita ihany koa ireo mpampiantrano miisa telo. Tapitra omaly ny dingana ampaha-16-ndalana hiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”, […]

TARATRY ny KANTO

Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihama­nana, 100 taona. Hisy ny lahadinika sy fampirantiana momba ity mpanoratra manana ny mampiavaka azy ity, ny 15 jolay manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, eny amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza. «Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana sy ny anjara birikiny teo anivon’ny Akademia malagasy» ny lohahevitra amin’izany. Sehatra bagasy volana jolay. […]