Toy ny tany Toliara I, nilahatra nitaky ny hanokafana indray ny orinasa Base Toliara ihany koa ny mponina any amin’ireo kaominina ao amin’ny distrika Toliara II, ny 26 jona teo. Natrehin’ny olom-boafidy sy tomponandraikitra samihafa ny fankalazana ny niverenan’ny fahaleovantena, ny 26 jona, tany amin’ny kaominina Ankilimalinike sy Belalanda, distrika […]
Taratra
TSELATRA
Jiolahy mpamaky trano voasambotry fokonolona tao Antsahatsiresy, kaominina Sabotsy Namehana, ny 1 jolay teo. Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny io mpamaky trano efa nigadra io ka nifanenjehan’ny manodidina, ny alin’ny alatsinainy tamin’ny 11 ora sy sasany. Olona telo nahazo fahafahana vonjimaika ary notanana am-ponja ny iray hafa taorian’ny fampanoavana […]
Adina BEPC – Histo-Geo : mpianatra efatra indray tratra nanao hosoka
Tsy mety fay ! Mpiadina efatra manala ny fanadinam-panjakana BEPC indray no tratra nanao hosoka tao Anosibe An’ala, omaly. Nandritra ny fanatanterahana ny taranja Tantara sy Jeografia (Histo-Geo) no nahatrarana azy ireo. Efa nisy ihany ny fisavana ireo mpiadina teo am-pidirana saingy tsy hita ny zavatra nafenin’izy ireo. Teo amin’ny fisavana […]
Mpangarom-paosy : jiolahy iray tratra tao anaty taxi-be
Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ Itaosy, omaly ny jiolahy raindahiny amin’ny harom-paosy. Marobe ny fitairanana voarain’ny polisy momba ny fisian’ireo jiolahy manendaka anaty taxi-be. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny polisy nanara-maso teny amin’ny fiantsonan’ny taxi-be, ankoatra ireo mody mandeha taxi-be hahafahana mijery ny fisian’ireo olon-dratsy. Nahitam-bokany izany […]
Roalahy voatifitry ny polisy : mpaka an-keriny, mpilalao ody ratsy
Maty voatifitry ny polisy i Bilo sy Karata mpaka an-keriny. Tra-tehaka niaraka tamin’izy ireo ny basy mahery vaika miisa enina. Nogiazana ihany koa ny ody ratsy fampiasan-dry zalahy. Lavon’ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Moratelo, kaominina Ambodirano, distrikan’Amparafaravola, ny 01 jolay teo ny mpaka an-keriny roa lahy. Tompon’antoka tamin’ny fakana raim-pianakaviana […]




