Taratra

Inate FC Rouge: vonona hanohitra ny Elgeco Plus

Andro iray sisa dia handeha ny manasa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Telma Coupe 2024 ». Nilaza ny filohan’ny Inate FC Rouge Vakinankaratra, Rakoton­dra­miara Hasina, omaly, teny Ambohimanambola, fa vonona tanteraka ny mpilalaon’ izy ireo ny hifanandrina amin’ny Elgeco Plus, tompon’ny amboara farany. Nomarihin’izy ireo fa tanjona amin’ity taom-pilalaovana ity ny haka […]

Bisikileta- “Ocean Indien 2024” : hiady mafy amin’ny « course en ligne » i Mohamed Houlder

Ratsy fanombohana ny Malagasy mpihazakazaka am-bisikileta, i Mohamed Houlder, tamin’ity fifaninanana ho an’ny ranomasimbe Indianina ity. Laharana faha-14 ny tenany tamin’ny hazakazaka ara-potoanan’ny tsirairay. Hiezaka mafy izy amin’ny dingana farany. Hifarana anio, ny fifaninanana amin’ny taranja bisikileta, ho an’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, izay tontosaina ao amin’ny Nosy rahavavy Maurice. […]

Akademia Malagasy : mampanao fifaninanana famoronan-dahatsoratra

Tafiditra ao anatin’ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Mampanao fifaninanana famoronana lahatsoratra ny Foibe momba ny teny an’ny Akademia Malagasy. « Ny teny malagasy, sompi-pahendrena », no lohahevitra. Ma­morona lahatsoratra mitantara fohy ny niavian’ny anaran-tanàna roa na anarana olo-malaza roa na anaran-tanàna iray sy olo-malaza iray ny mpifaninana. Kajina ny tsipelina sy ny […]

MFF, andiany faha-19: handray anjara amin’ny hetsika i Sylvain Marc

Misy hatrany ny fanolorana zava-baovao ho an’ny mpanaraka ny hetsika. Anisan’izany ny fandraisan’i Sylvain Marc, izay manana ny lazany eo amin’ ny mozika sy ny horonantsary maneran-tany, anjara. Tanterahina ny 5 hatramin’ny 12 jolay 2024, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Anala­kely, ny « Madagascourt Film Festival » (MFF) andiany fa­ha-19. […]

FANTINA sy FINTINA

Nodimandry teo amin’ny faha-83 taonany, ny fiandohan’ny herinandro teo, Rajakoba Daniel. Tsy salama ary notsaboina tetsy amin’ny Homi izy izao lasana izao. Anisan’ny nanorina ny antoko Fihavanantsika ity pasitera ity ary efa kandidà filoham-pirenena ny taona 2001 sy ny taona 2006. Efa minisitry ny Asa, fony governemanta Ramanantsoa koa izy. […]