Notanterahina tany Vangaindrano, ny alatsinainy teo, ny fihaonana tamin’ireo ben’ny Tanàna miisa 98 anatin’ny distrika manodidina sy ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina. Anisan’ny niatrika izany ireo avy any Farafangana, Vangaindrano, Vondrozo, Midongy Atsimo ary Befotaka Atsimo, mandrafitra ny faritra Atsimo Atsinanana. Notsiahivin’ny minisitra […]
Taratra
Vonona hanompo
Anatin’ny fotoam-pitondrana faharoa an’ny filoha Rajoelina tanteraka isika izao. Hiditra amin’ny dingana manaraka, dia ny asa amin’izay. Azo lazaina fa efa mihodina ny lamasinina amin’ny fanatanterahana ny iraka isam-paritra izay nilokalokana tamin’ny fampielezan-kevitra. Porofon’ireny, nisy ny fidinana ifotony nataon’ny delegasiona notarihiny, nizaha ny fanamboarana ilay lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo […]
Lalambe migodàna : “Tsy maintsy vita hatramin’ ny farany”, hoy ny Filoha
Mitohy ny fanatanterahana ny fanamby natao tamin’ny vahoaka. Nidina ifotony, nijery ny fivoaran’ny asa amin’ilay lalam-be migodana ny Filohan’ny Repoblika mivady, omaly. Nijery ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny arabe migodàna, Antananarivo – Toamasina, ny filoha Rajoelina Andry mivady, omaly. Nanotrona azy tamin’izany ireo olom-panjakana sy olom-boafidy maro samihafa. Tao amin’ny […]
TSELATRA
Nahemotra ho an’ny rahampitso maraina indray ny fanolorana ireo olona voarohirohy amin’ny raharaha fisolokiana momba ny Box Miami. Niampy telo indray ireo olona nametraka fitoriana tamin’ity raharaha ity ka anton’ny nanemorana ny fanolorana eo anivon’ny fampanoavana ireo olona voasaringotra. Tafaverin’ny polisy amin’ny tompony avokoa ireo omby valo nangalarin’ny dahalo tao […]
Lalam-pirenena faha-32 A: maty voatifitra i Ndrepeno, mpanakan-dalana
Lavon’ny balan’ny zandary nanao fisafoana tampoka ny jiolahy raindahiny amin’ny fanakanan-dalana tao amin’ny lalam-pirenena faha-32 A, mampitohy an’i Vohitraivo, kaominina Vohimena, sy ny renivohitry ny distrikan’Andilamena, afakomaly. Nitrangana fanafihana teny amin’io lalana io, tamin’ny 29 jona teo, tamin’ny 3 ora maraina. Fiara taksibrosy mampitohy an’Antananarivo sy Andilamena no lasibatra. Tsy […]




