Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny mpamakafaka politika, Raveloson Constant. Nambarany fa miketrika sy mitady ny fomba rehetra hifehezany ny fahefany ny mpitondra amin’izao fotoana izao. “Mahery lanja ny fitiavana hiroso amin’izany nefa jadona izany”, hoy izy. Notanisainy amin’izany ny tsy fihainoan’ny mpitondra ny mpiara-miombon’antoka hatramin’ny taona 2018 no […]
Taratra
Tsy miankina… tsy fiankina
Mahabe adihevitra amin’izao ny toeran’ny tsy miankina eny amin’ny Antenimierampirenena? Eny, na mazava izao aza fa misy ny fahazoana maro anisa feno sy tanteraka. Mby amin’ny filazan’ny mpandinika iray izay hoe na ho any amin’ny fanoherana aza izy ireo, tsy hanova inona firy. Raha tsy hoe hiandany any amin’ny […]
Antenimierampirenena : mivoaka tsikelikely ny anaran’ izay ho filoha ao Tsimbazaza
Mandeha ny kajikajy! Efa miparitaka ny anaran’izay ho filohan’ny Antenimerampirenena. Toraka izany, ny handrafitra ny birao maharitra sy ny filoham-baomiera. Hivory manokana ny talata 9 jolay izao, araka ny voalazan’ny lalàna, ny Antenimierampirenena. Hiatrika izany ireo depiote miisa 163, vao nofidiana ny 29 mey lasa teo. Vaindohan-draharahan’izy ireo ny fifidianana […]
TSELATRA
Tratra teo am-pangalarana takelaby mpanome herinaratra mipetaka amin’ireo andrin-jiro amoron-dalana eny Andohatapaneka ny jiolahy iray, ny faran’ny herinandro teo. Ireo polisy manao fisafoana amin’iny faritra iny no nahatratra azy nivimbina ireo takelaby ireo. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Namoy ny ainy ny adala iray tao […]
Ambohitrimanjaka : Jiolahy tratra teo am-pangalarana moto
Soa ihany fa haingana ny fahatongavan’ny zandary, raha tsy izany matin’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy iray tratra teo am-pangalarana moto, tao amina tokantrano iray eny Ambohitrimanjaka, ny sabotsy hariva teo. Nipetraka teo an-tokotany ny moto iray ka nidiran’ireo jiolahy ary saika havoakany tao. Tsikaritry ny tompony anefa ny fidiran’ireo olon-dratsy satria […]




