Hotanterahina, anio, etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ny fizarana loka ho an’ireo mpandresy nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Rallye, ho an’ny taom-pilalaovana 2023. Tompon’ny anaram-boninahitra i Mathieu, mpanamorin’ny klioba Asacm. Andry Tahina, ny teo amin’ny mpanamory mpanampy. Rasoamaromaka Faniry, avy amin’ny TMF ny voalohany teo amin’ny kilasy […]
Taratra
Madagascar J.K.A – Fi. Karate.Ma: nomen-kasina ny Sensei Rakotomalala Armand
Vy nahitana sy angady nananana, nanangana ny Madagascar Shotokan Karate Associaton (M.S.K.A), izay lasa Madagascar Japan Karate Association. Notononina J.K.A, ho an’i Madagasikara, tato aoriana. Nanasa ilay « Expert » Sensei Daniel Lautier, nanofana sy nizara traikefa ka nahazoan’ny mpikatroka karate eto an-toerana tombontsoa. An-jatony maro no liana sy nanaraka ny fiofanana. […]
Kitra – “Coca-Cola PFL”: hiady ny amboara ny Elgeco Plus sy ny Disciples FC
Hofantatra rahampitso izay ho tompondakan’i Madagasikara, fifaninanam-pirenena “Coca-Cola Pureplay Foot-ball League”. Hotolorana lelavola izay mivoaka ho mpandresy. Hotanterahina, anio, eny amin’ny Kianja Elgeco Plus by-pass, ny lalao famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “Coca-Cola Pureplay Foot-ball League (PFL)”, taranja baolina kitra. Hifanandrina amin’izany ny ekipan’ny Elgeco plus Analamanga sy ny […]
Vaovao mitambatra
Mahatratra 78 066 ireo mpizahatany tonga eto Madagasikara nanomboka ny volana janoary ka hatramin’ny volana mey teo. Niakatra ity antotanisa ity raha oharina tamin’ny vanim-potoan’ny taon-dasa, izay 63 078, ary ambany noho ny tamin’ny taona 2019 izay nahatratra 86 0081. Mamatsy solika an’i Madagasikara, nanomboka ny volana avrily ka hatramin’ny volana mey […]
Fiantohana: fiaraha-miasan’ny banky SG sy ny Aro
Natao sonia omaly, ny fiaraha-miasan’ny banky Société Générale (SG) sy ny trano fiantohana Aro, antsoina hoe Soavà. Fifanarahana mifantoka amin’ny fiantohana ny mpanjifan’ny banky SG Madagasikara amin’ny lafiny fitsaboana. Afaka misitraka ity tolotra ity avokoa ny tsirairay, ny ankohonany, fa indrindra koa ny mpiasa any amin’ny orinasa. Tafiditra ao anatin’ny […]




