Taratra

Famoahana voka-pifidianana: miantso fanajana ny fahamarinana ny FFKM

“Miantso ny FFKM ny hanajana hatrany ny fahamarinana, indrindra ny voka-pifidianana. Fa mariky ny fanajana ny safidin’ny vahoaka izay tompon’ny fahefana izany, ary antoka amin’ny hisian’ny fandriampahalemana sy ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra”. Io ny hafatry ny FFKM tamin’ny 23 jona ary nampitainy, afakomaly, amin’ny fiandrasana ny […]

“Manan-danja ny hasin’ ny fitiavan-tanindrazana”

“Manan-danja loatra amintsika ny hasin’ny fitiavan-tanindrazana. Izay indrindra no nisafidianana manokana ny teny faneva fankalazana hoe: Madagasikara mandroso, Ma­l­agasy miara-mientana ao anatin’ny fitiavan-tanindrazana”, hoy ny filohan’ny Re­poblika, Rajoelina Andry, ta­min’ny kabary fanombohana ny matso teny amin’ny kianja Barea, Mahamasina, omaly, tao anatin’ny fankalazana ny 26 jona. Tandroka aron’ny vo­zona miaro […]

Fetim-pirenena: niarahaba ny Malagasy ny filoha Amerikanina

Nanao fanambarana fiarahabana sy firariantsoa amin’ny anaran’ny vahoaka amerikana ho an’ny filoha Rajoelina Andry sy ny Malagasy amin’izao fetim-pirenena izao ny filoha Joe Biden. “Mirary soa ho anao sy ny vahoaka malagasy amin’izao fankalazanareo ny faha-64 taonan’ny fetin’ny Fahaleovantenan’i Mada­gasikara izao izahay”, hoy izy. Notsiahiviny ao anatin’izany ny fiaraha-miasa maharitra […]

Rabevahiny: “Tsy mbola vita ny tolona tena fanafahana an’i Madagasikara”

64 taona no niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Mby aiza? Manana ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia: “64 taona aty aoriana, azo lazaina hoe tsy mbola mahaleo tena isika fa mbola ao anatin’ny ady amin’izay hoe fitadiavana Fahaleovantena izay”. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Aminao, inona no hoe Faha­leovantena? Rabevahiny Elia […]

Taratry ny kanto

Niteraka resabe ny hiram-pirenena, tao Mahamasina. Na ireo nanatri-maso na ireo nanaraka tamin’ny fahitalavi-pirenena dia nahatsikaritra ny tsy fetezana avokoa. Araka ny fanazavana voaray, vokatry ny olana ara-teknika teo amin’ny fanamafisam-peo izany, ka nisy tsy nivoaka ho henon’ny besinimaro ny feon’ny mpihira sasany. Olana efa mpitranga matetika rehefa fety lehibe […]