Hisitraka herinaratra avy amin’ny tohodrano ny amin’ny helodranon’Antogil, distrika Maroantsetra. Manohana azy ny fanjakana alemà amin’ny alalan’ny KFW. Natao sonia ny 18 jona teo ny fifanarahana eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny tomponandraikitry ny Kreditanstalt für Wiederaufbau (KFW), famatsiam-bola ho an’ny fanarenana alemà sy ny fandaharanasa GIZ Perer. Mitentina 18 […]
Taratra
Tselatra
Lehilahy iray tsy nahatsiaro tena rehefa voafaokan’ny fiara teny By-pass, afakomaly. Nentin’ny nanatri-maso nihazo ny hopitaly izy. Nipitika tamin’ny sisin-dalana io lehilahy io ka torana. Mpandalo no nanavotra azy ary nitondra teny anivon’ny toeram-pitsaboana. Norasarasain’ny olon-dratsy, omby vavy bevohoka iray lasibatry ny mpangalatra ka ny taolany sisa nariany tao anaty […]
Milaza ho vazaha: mpanodinkodin-jaza nahiditra eny Tsiafahy
Misandoka ho teratany vahiny, tratran’ny mpitandro filaminana ka nahiditra eny Tsiafahy ny lehilahy iray mpanadala sady manery zaza tsy ampy taona amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera, afakomaly. Hampiresahany ireo tanora tsy ampy taona ireo hanome sary mamoafady. Misoloky ho vazaha rahateo io lehilahy io ka manambitamby ireo ankizy tsy ampy taona ireo. […]
Nifanenjehan’ny fokonolona: dahalo raindahiny voasambotra
Dahalo raindahiny iray, tompon’antoka tamin’ny fandrobana omby nahafatesana olona, voasambotry ny zandary sy ny fokonolona tao amin’ny kaominina Antanimieva, distrika Morombe, afakomaly. Nokarohina taorian’ny fanafihana herinandro vitsy, naharay loharanom-baovao nirakitra ny mombamomba io dahalo io ny mpitandro filaminana. Nanao ny fomba rehetra nisamborana azy izy ireo. Nanampy tosika ny fokonolona. […]
Vola sandoka 4 tapitrisa Ar: olona telo nosamborin’ny zandary
Voasambotry ny zandary ny lehilahy nihazona vola sandoka mitetina 4 380 000 Ar tao Sambava, afakomaly. Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny mpisoloky iray nahatrarana vola sandoka an-tapitrisany tao amin’ny tanànan’Analamandrorofo, distrikan’i Sambava, afakomaly. Nitondra vola io lehilahy io ka nanatona banky iray tao an-toerana. Nilaza hametraka io volany io ao amin’ilay banky izy. […]




