Taratra

Zon’ny ankizy: tsy tokony hogadraina avy hatrany ny ankizy tsy ampy taona

Nifarana omaly ny atrikasa momba ny zon’ny ankizy, tao amin’ny Carlton, Anosy. Nisy fizarana mari-pankasitrahana ho an’ny mpandray anjara. Nofaranana omaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy, ny fivoriambe niarahan’ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny mpitsara rehetra eo amin’ny rafi-pitsarana ho an’ny ankizy eto Madagasikara «Tsy tokony ho famonjana avy hatrany […]

Fampandrosoana ambanivohitra : Tokantrano 708 000 nisitraka ny tetikasa Casef

Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy omaly, ny tetikasa “Croissance agricole et sécurisation foncière (Casef)” an’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) sy ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MDAT). Mamatsy vola azy io ny Banky iraisam-pirenena, naharitra fito taona, tamina faritra 16. «Tanjona ny hampiroboroboana ny seha-piharian’ny fam­bolen’ny tantsaha», […]

TARATRY ny KANTO

Efa tonga eto i Arjun. Hanatontosa fampisehoana mandritra ilay hetsika « Bollywood Glam Night », izay hotanterahina eny amin’ny Novotel Ivandry, anio alina, ity mpanakanto indianina malaza ity. Efa eto ihany koa i DJ Harpz, ary andrasana anio ny Krumania Dance Group, izay tarika mpanao soradihy avy atsy Maorisy, hizara ny kantony […]

Hip – hop : 50 taona i Slam Jah, anisan’ireo mpanao Rap zokiny

Lava ny lalana nodiavina ho an’i Slam Jah. Tsy mbola nijanona hatreo anefa fa manohy hatrany ny mozika anatin’ny tontolon’ny Hip-hop ity mpanakanto ity. «Savasavaiko ny lalany dia hataoko ma­n­drakizay», hoy i Slam Jah izay. Anarana tsy afa-misaraka amin’ny tontolon’ny Hip-hop eto Madaga­sikara, satria anisan’ireo nitondra voalohany ny rivotry ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nohitrikitrihin’ny kaomisaria ambony momba ny zon’olombelona eo anivon’ny ONU ny tokony hanajana ny zo ahazoana mivory an-kalalahana. Tahaka izany koa ny fahafahana maneho hevitra. Niantso ny rehetra hamela malalaka ny HCC hiasa am-pitoniana sy am-pilaminana koa izy ireo amin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana. Nodimandry, omaly, ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Alliance Française, Raharinosy […]